-
Filipianina 2:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Efa nankatò foana ianareo, ry malala, tsy tamin’izaho teo aminareo ihany, fa vao mainka aza amin’izao izaho tsy eo aminareo izao. Noho izany, dia miezaha foana mba ho voavonjy, sady matahotra sy mangovitra ihany.
-
-
2 Timoty 2:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahafahanao mampiseho eo anatrehan’Andriamanitra hoe olona ankasitrahana ianao, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.+
-
-
Hebreo 4:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Andao àry isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika ho lasa tsy mankatò hoatr’azy ireo koa.+
-