-
Nomery 22:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Dia nosokafan’i Jehovah ny mason’i Balama,+ ka hitany ilay anjelin’i Jehovah nijoro teo an-dalana sady nitana sabatra efa voatsoaka avy tao anaty tranony. Dia niondrika avy hatrany izy ka niankohoka.
-
-
Nomery 22:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Dia hoy i Balama tamin’ilay anjelin’i Jehovah: “Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe ianao no nijoro teo amin’ny lalana teo mba hisakana ahy. Koa raha tsy mahafaly anao izao ataoko izao, dia hiverina aho.”
-
-
Nomery 31:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Novonoiny niaraka tamin’ireo ny mpanjaka dimy tany Midianina, dia i Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balama+ zanak’i Beora.
-