-
1 Korintianina 7:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 ary izay mampiasa an’izao tontolo izao, ho toy ny tsy variana mampiasa azy io tanteraka, fa miovaova ny sehatr’izao tontolo izao.
-
-
Titosy 2:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Efa nasehon’Andriamanitra mantsy ny hatsaram-panahiny miavaka, ka afaka ny ho voavonjy ny karazan’olona rehetra.+ 12 Mampiofana antsika izany hatsaram-panahy izany mba handa an’izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao.+ Mampiofana antsika koa izany mba hampiseho eo amin’ny fiainantsika hoe misaina tsara sy manao izay mahitsy isika ary mahafoy tena ho an’Andriamanitra, eto amin’izao tontolo izao.*+
-