-
Hebreo 9:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 mainka fa ny ran’i Kristy!+ Natolony ho sorona tsy misy tsiny ho an’Andriamanitra mantsy ny tenany noho ny fiasan’ny fanahy masina mandrakizay. Ny rany koa no manadio ny feon’ny fieritreretantsika, ka tsy manao asa tsy misy dikany*+ intsony isika. Amin’izay isika dia ho afaka hanao fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.+
-
-
1 Petera 1:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Fantatrareo mantsy fa tsy tamin’ny zavatra mety simba, toy ny volafotsy na volamena, no nanafahana*+ anareo tamin’ny fomba fiaina tsy mahasoa nolovanareo tamin’ny razambenareo,* 19 fa tamin’ny ra sarobidy+ kosa, dia ny ran’i Kristy,+ izay toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsininy sy tsy misy pentina.+
-