-
Apokalypsy 21:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia nentiny tamin’ny herin’ny fanahy nankeo amin’ny tendrombohitra ngezabe sady avo aho, dia nasehony ahy i Jerosalema, ilay tanàna masina, izay nidina avy any an-danitra avy tany amin’Andriamanitra.+ 11 Feno ny voninahitr’Andriamanitra+ izy io, ary hoatran’ny vatosoa faran’izay tsara ny famirapiratany, hoatran’ny vato jaspa mamirapiratra tahaka ny kristaly.+
-