-
Apokalypsy 6:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Rehefa nosokafany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambany alitara+ ny ran’ny* olona+ novonoina noho izy ireo nanaraka ny tenin’Andriamanitra sady nitory.+ 10 Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: “Ry Tompo Fara Tampony ô, ilay masina sy marina,+ rahoviana ihany ianao vao hitsara ny olona mipetraka eny ambonin’ny tany+ ka hamaly ny ranay nalatsak’izy ireny?”
-
-
Apokalypsy 19:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Taorian’izany, dia naheno feo hoatran’ny feon’ny vahoaka be tany an-danitra aho, niantsoantso hoe: “Derao i Jah!*+ An’ilay Andriamanitsika ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery, 2 satria azo atokisana sy ara-drariny+ ny fitsarany. Fa nampihatra didim-pitsarana tamin’ilay mpivaro-tena lehibe izy, dia tamin’ilay nanimba ny tany tamin’ny fijangajangany.* Novaliany koa ny ran’ny mpanompony nalatsaky ny tanan’ilay vehivavy.”*+
-