FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Korintianina 13
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

2 Korintianina: Topy Maso

      • Fampitandremana farany sy fandrisihana (1-14)

        • “Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo” (5)

        • Hanitsy izay tokony hahitsy; hifanara-tsaina (11)

2 Korintianina 13:1

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “Vavan’ny.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +De 19:15; Mt 18:16

2 Korintianina 13:4

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 6:4; 1Pe 3:18
  • +2Ti 2:11, 12
  • +1Ko 6:14

2 Korintianina 13:5

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “ary sedrao.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 11:28; Ga 6:4

2 Korintianina 13:10

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “hanorina.”

  • *

    Na: “tsy handrava.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 4:21

2 Korintianina 13:11

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “filaminana; fihavanana.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 1:3, 4
  • +Fi 2:2
  • +1Te 5:13; Jk 3:17; 1Pe 3:11; 2Pe 3:14
  • +1Ko 14:33

Ankapobeny

2 Kor. 13:1De 19:15; Mt 18:16
2 Kor. 13:4Ro 6:4; 1Pe 3:18
2 Kor. 13:42Ti 2:11, 12
2 Kor. 13:41Ko 6:14
2 Kor. 13:51Ko 11:28; Ga 6:4
2 Kor. 13:101Ko 4:21
2 Kor. 13:112Ko 1:3, 4
2 Kor. 13:11Fi 2:2
2 Kor. 13:111Te 5:13; Jk 3:17; 1Pe 3:11; 2Pe 3:14
2 Kor. 13:111Ko 14:33
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
2 Korintianina 13:1-14

Korintianina Faharoa

13 Fanintelony aho izao no ho any aminareo. “Tenin’ny* vavolombelona roa na telo no ilaina vao azo antoka hoe mitombina ny zava-drehetra.”+ 2 Na dia tsy any aminareo aza aho izao, dia ataovy toy ny hoe tonga any aminareo fanindroany. Ary efa ampitandremako mialoha ireo nanota teo aloha sy ny olon-kafa rehetra fa tsy hitsitsitsitsy an-dry zareo aho, raha tonga any indray. 3 Mitady porofo mantsy ianareo hoe miteny amin’ny alalako tokoa ve i Kristy, izay tsy malemy rehefa manao zavatra eo aminareo fa mampiseho ny heriny eo aminareo kosa. 4 Fa novonoina teo amin’ny tsato-kazo tokoa izy tamin’izy nalemy, nefa velona kosa izy izao noho ny herin’Andriamanitra.+ Marina koa fa malemy hoatr’azy izahay, nefa ho velona hiaraka aminy izahay+ noho ny herin’Andriamanitra miasa aminareo.+

5 Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary fantaro tsara* foana hoe manao ahoana ny tenanareo.+ Sa ianareo tsy manaiky hoe tafaray aminareo i Jesosy Kristy? Tokony hekenareo izany, raha tsy hoe tsy ankasitrahana angaha ianareo. 6 Tena manantena aho fa hekenareo hoe olona ankasitrahana izahay.

7 Mivavaka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanao ratsy ianareo. Tsy hoe te hahazo sitraka amin’olona akory izahay amin’izany, fa tianay hanao ny tsara kosa ianareo, na dia hoatran’ny hoe tsy ankasitrahana aza izahay. 8 Fa tsy mahavita na inona na inona hanoherana ny fahamarinana izahay, fa ny hampandrosoana ny fahamarinana ihany. 9 Tena faly izahay raha malemy, fa ianareo kosa mahery. Ary mivavaka izahay mba hanitsy an’izay tokony hahitsy ianareo. 10 Izany no antony anoratako an’ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola tsy any aminareo aho. Amin’izay rehefa eo aho, dia tsy voatery ho hentitra be rehefa mampihatra ny fahefana nomen’ny Tompo ahy,+ ka hampahery* fa tsy hanasazy.*

11 Farany, ry rahalahy, miezaha foana hifaly, hanitsy izay tokony hahitsy, handray fampiononana,+ hifanara-tsaina,+ ary hihavana tsara.+ Hitahy anareo anie ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana!*+ 12 Mifampiarahabà amin’ny oroka masina. 13 Mampamangy, hono, ianareo, hoy ny olona masina rehetra.

14 Enga anie ianareo hanehoan’i Jesosy Kristy Tompo hatsaram-panahy miavaka sy hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany, ary enga anie ianareo samy handray soa amin’ny fanahy masina!

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara