FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Korintianina 12
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

2 Korintianina: Topy Maso

      • Fahitana hitan’i Paoly (1-7a)

      • “Tsilo ao amin’ny nofo” nahazo an’i Paoly (7b-10)

      • Tsy ambany raha oharina amin’ireo apostoly tsara loatra (11-13)

      • Fiahian’i Paoly an’ireo Korintianina (14-21)

2 Korintianina 12:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 2:17
  • +As 22:17, 18

2 Korintianina 12:7

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “hamely tehamaina.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ga 4:13

2 Korintianina 12:9

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 40:29

2 Korintianina 12:10

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Fi 4:13

2 Korintianina 12:11

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 11:23

2 Korintianina 12:12

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fambara.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 6:4
  • +As 14:3; 15:12; Ro 15:18, 19

2 Korintianina 12:13

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 9:11, 12; 2Ko 11:9

2 Korintianina 12:14

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 20:33
  • +1Ko 4:14

2 Korintianina 12:15

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 1:6; Kl 1:24; 1Te 2:8; He 13:17

2 Korintianina 12:16

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 11:9

2 Korintianina 12:18

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 8:6

2 Korintianina 12:20

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fibitsibitsihana.”

2 Korintianina 12:21

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Grika: pôrneia. Jereo F.T.

  • *

    Izany hoe ditran’olona efa lany henatra sy sahisahy manao ratsy. Jereo F.T.

Ankapobeny

2 Kor. 12:1As 2:17
2 Kor. 12:1As 22:17, 18
2 Kor. 12:7Ga 4:13
2 Kor. 12:9Is 40:29
2 Kor. 12:10Fi 4:13
2 Kor. 12:112Ko 11:23
2 Kor. 12:122Ko 6:4
2 Kor. 12:12As 14:3; 15:12; Ro 15:18, 19
2 Kor. 12:131Ko 9:11, 12; 2Ko 11:9
2 Kor. 12:14As 20:33
2 Kor. 12:141Ko 4:14
2 Kor. 12:152Ko 1:6; Kl 1:24; 1Te 2:8; He 13:17
2 Kor. 12:162Ko 11:9
2 Kor. 12:182Ko 8:6
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
2 Korintianina 12:1-21

Korintianina Faharoa

12 Tsy maintsy mirehareha aho. Hiresaka an’ireo fahitana mahagaga+ avy amin’ny Tompo sy ireo zavatra naharihariny tamiko+ indray aho izao, na dia tsy misy tombony azo amin’izany aza. 2 Mahafantatra olona iray tafaray amin’i Kristy aho. Nentina ho any amin’ny lanitra fahatelo io olona io, 14 taona lasa izay.—Tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala.— 3 Fantatro izany olona nentina tany amin’ny paradisa izany.—Tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala.— 4 Nentina tany amin’ny paradisa izy, ka nandre teny tsy tokony holazaina amin’olona sady tsy azon’olona tenenina. 5 Hirehareha ny amin’izany olona izany aho, fa tsy hirehareha ny amin’ny tenako, afa-tsy ny amin’ny fahalemeko ihany angaha. 6 Fa na dia te hirehareha aza aho, dia tsy ho adala fa hilaza ny marina. Tsy hanao an’izany anefa aho, mba tsy hisy hieritreritra hoe nahavita mihoatra noho izay efa hitany nataoko aho na nahavita mihoatra noho izay henony hoe nolazaiko, 7 satria fotsiny hoe miavaka be ny zavatra naharihary tamiko.

Mba tsy hahatonga ahy hanandra-tena be loatra, dia nasiana tsilo ao amin’ny nofo+ aho, izany hoe anjelin’i Satana, mba hamely* ahy tsy an-kijanona, sao hanandra-tena be loatra aho. 8 Intelo aho no niangavy ny Tompo mba hanesorany an’izany amiko. 9 Nilaza tamiko anefa izy hoe: “Ampy ho anao ny hatsaram-panahy miavaka asehoko aminao, satria tonga lafatra ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.”+ Vao mainka àry aho faly hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hanarona ahy foana toy ny tranolay ny herin’i Kristy. 10 Koa mahafaly ahy ny hoe malemy, misy manambanimbany, ao anatin’ny tsy fisiana, misy manenjika sy miatrika zava-tsarotra, noho ny amin’i Kristy. Rehefa malemy mantsy aho, dia amin’izay aho no mahery.+

11 Nanjary nanao adaladala aho, noho ianareo nanery ahy, satria tokony ho nilaza zavatra tsara momba ahy ianareo. Fa tsy nisy na inona na inona nampiseho hoe ambany aho raha oharina amin’ireo apostolinareo tsara loatra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.+ 12 Efa naseho anareo tokoa ny porofo hoe apostoly aho: Niaritra be+ aho, ary nanao famantarana sy fahagagana* ary zavatra miavaka.+ 13 Fa mieritreritra ve ianareo hoe maty antoka raha oharina amin’ny fiangonana hafa, satria fotsiny hoe tsy lasa enta-mavesatra ho anareo aho?+ Mba mamelà ahy amin’izany fahadisoana izany.

14 Fanintelony aho izao no vonona hankany aminareo, ary tsy ho lasa enta-mavesatra aho. Fa tsy ny fanananareo no tadiaviko,+ fa ianareo. Tsy ny zanaka+ mantsy no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an’ny zanany. 15 Raha ny amiko, dia tena ho faly aho hanome izay rehetra ananako sy hanao sorona tanteraka ny fiainako ho anareo.+ Raha tena tia anareo hoatr’izany aho, dia tokony ho kely kokoa noho izany ve ny fitiavanareo ahy? 16 Na izany aza anefa, dia tsy nampitondra enta-mavesatra anareo aho.+ Milaza anefa ianareo fa “fetsy” aho sady “tamin’ny fitaka” no nahazoako anareo. 17 Izaho ve dia nanararaotra anareo tamin’izaho naniraka olona tany aminareo? 18 Nampirisika an’i Titosy hankany aminareo aho ary nirahiko hiaraka taminy ilay rahalahy iny. Nanararaotra anareo ve i Titosy? Tsy nanao an’izany mihitsy izy.+ Tsy hitanareo ve fa nitovy saina izahay? Tsy nitovy koa ve ny fomba fiasanay?

19 Nieritreritra ve ianareo hatramin’izay hoe miaro tena eo anatrehanareo izahay? Eo anatrehan’Andriamanitra no miteny izahay tafaray amin’i Kristy. Natao hampaherezana anareo anefa ny zava-drehetra ataonay, ry malala. 20 Fa matahotra aho sao rehefa tonga any aho dia tsy ho araka izay iriko ny zavatra ataonareo, ary tsy ho araka izay irinareo ny zavatra ataoko. Matahotra aho sao misy ady eo aminareo, na fialonana, fahatezerana tsy voafehy, fifamaliana, fanaratsiana, fifosana,* fireharehana, na korontana. 21 Angamba rehefa tonga indray aho, dia havelan’ilay Andriamanitro ho afa-baraka eo anatrehanareo. Dia tsy maintsy halahelo aho, noho ireo olona maro nanota teo aloha nefa tsy nibebaka tamin’ny fanaony, izany hoe ny fahalotoany sy ny fijangajangany* ary ny fitondran-tenany tsy misy henatra.*

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara