Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Hosea: Topy Maso HOSEA TOPY MASO 1 Vadin’i Hosea sy ny zanaka naterany (1-9) Jezirela (4), Lo-rohama (6), ary Lo-amy (9) Fanantenana hoe hangonina ny Israely mba hiray hina (10, 11) 2 Hosazina ny Israely fa nivadika (1-13) Ho vadin’i Jehovah indray (14-23) “Hiantso ahy hoe Vadiko ianao” (16) 3 Novidin’i Hosea ilay vadiny nanitsakitsaka azy (1-3) Hiverina amin’i Jehovah ny Israely (4, 5) 4 Miady amin’ny Israely any amin’ny fitsarana i Jehovah (1-8) Tsy misy mahalala an’Andriamanitra ao amin’ilay tany (1) Manompo sampy sy mijangajanga ny Israely (9-19) Te hijangajanga izy ireo ka manao zava-dratsy (12) 5 Fanamelohana an’i Efraima sy Joda (1-15) 6 Andao hiverina amin’i Jehovah (1-3) Vetivety dia levona ny fitiavan’ilay vahoaka (4-6) Izay be fitiavana sy tsy mivadika no ankasitrahana fa tsy izay manao sorona (6) Mahamenatra ny zavatra ataon’ilay vahoaka (7-11) 7 Ny zava-dratsy ataon’i Efraima (1-16) Tsy hisy ho afaka handositra ny haraton’i Jehovah (12) 8 Hizaka ny vokatry ny fanompoan-tsampy (1-14) Mamafy rivotra, hijinja tadio (7) Nanadino ny Mpanao azy ny Israely (14) 9 Tsy ho tian’Andriamanitra intsony i Efraima satria nanota (1-17) Nanokan-tena ho an’ilay andriamanitra mahamenatra (10) 10 Voaloboka efa simba ny Israely, ary haringana (1-15) Namafy dia nijinja (12, 13) 11 Tian’i Jehovah hatramin’ny mbola kely ny Israely (1-12) “Nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako” (1) 12 Tokony hiverina amin’i Jehovah i Efraima (1-14) Nitolona tamin’Andriamanitra i Jakoba (3) Nitomany sy nitalaho i Jakoba (4) 13 Nanadino an’i Jehovah i Efraima mpanompo sampy (1-16) “Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?” (14) 14 Miverena amin’i Jehovah (1-3) Toy ny fanatitra ny fiderana (2) Hositranina ny Israely dia tsy hivadika intsony (4-9)