Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Mika: Topy Maso MIKA TOPY MASO 1 Fanamelohana an’i Samaria sy Joda (1-16) Hisy loza satria nanota sy nikomy (5) 2 Hahita loza izay tia mampijaly ny hafa (1-11) Hangonina indray ny Israely mba hiray hina (12, 13) Ho lasa maresaka sy feno olona ilay toerana (12) 3 Nolazaina ny ratsy ataon’ny mpitarika sy ny mpaminany (1-12) Feno hery avy amin’ny fanahin’i Jehovah i Mika (8) Ny mpisorona mampianatra mba hahazoana karama (11) Ho lasa korontam-bato mivangongo i Jerosalema (12) 4 Ho avo be ny tendrombohitr’i Jehovah (1-5) Sabatra ho lasa angadinomby (3) ‘Handeha amin’ny anaran’i Jehovah isika’ (5) Haverina amin’ny laoniny i Ziona (6-13) 5 Hisy mpitondra hitondra ny tany manontolo (1-6) Ho avy ao Betlehema ilay mpitondra (2) Ho toy ny ando sy liona ny sisa amin’ny taranak’i Jakoba (7-9) Hodiovina ilay tany (10-15) 6 Miady amin’ny Israely any amin’ny fitsarana i Jehovah (1-5) Inona no takin’i Jehovah? (6-8) Manao ny rariny, tsy mivadika, manetry tena (8) Ny fahadisoan’ny Israely sy ny saziny (9-16) 7 Nanao zavatra ratsy be ny Israely (1-6) Ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony (6) ‘Vonona hiandry aho’ (7) Hiaro ny vahoakany any amin’ny fitsarana i Jehovah (8-13) Vavaka sy fiderana nataon’i Mika (14-20) Namaly azy i Jehovah (15-17) “Iza no Andriamanitra hoatr’anao?” (18)