FANONTANIANA 1
Iza moa Andriamanitra?
“Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”
“Aoka ho fantatrareo fa i Jehovah no Andriamanitra. Izy no nanao antsika.”
“Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa, ary ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.”
“Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”
“Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.”
“Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.”