FANONTANIANA 3
Iza no nanoratra ny Baiboly?
“Nosoratan’i Mosesy ny teny rehetra nolazain’i Jehovah.”
“Nanonofy sy nahita fahitana i Daniela tamin’izy tao am-pandriana. Dia nataony an-tsoratra ilay nofy, ka notantarainy izay rehetra hitany.”
“Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra renareo avy taminay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra.”
“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana.”
“Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”