FANONTANIANA 5
Inona ny hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly?
“Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.”
“Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao, satria nihaino ny teniko ianao.”
“Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”
“Tsy ho ela ilay Andriamanitry ny fiadanana dia hanorotoro an’i Satana eo ambany tongotrareo.”
“Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”
‘Tamin’i Abrahama no nilazana ny fampanantenana, sy tamin’ny taranany dia i Kristy izany. Ary raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama.’
“Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa Fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.”
“Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.”
“Nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona.”