FANONTANIANA 7
Inona no lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny androntsika?
“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. ... Izany rehetra izany no ho fiandohan’ny fahoriana.”
“Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka olona maro, ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.”
“Aza raiki-tahotra rehefa mandre ady sy filazana ady ianareo. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.”
“Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa. Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona, ary hisy famantarana lehibe avy any an-danitra.”
“Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.”