FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 12
  • Torohevitra Manatsara ny Fiainana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torohevitra Manatsara ny Fiainana
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpanjaka Hendry i Solomona
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 12
People in Bible times gather grain

FIZARANA 12

Torohevitra Manatsara ny Fiainana

Torohevitra avy amin’Andriamanitra no nangonina ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, ary tena tari-dalana amin’ny fiainana andavanandro. I Solomona no nanoratra ny ankamaroany

MPITONDRA hendry ve i Jehovah? Ho hita izany raha mandaitra ny toroheviny, ary mahatonga ny fiainan’ny olona ho tsara kokoa sy hisy dikany kokoa. Ho hitanao hoe mpitondra manao ahoana izy, rehefa mandinika ireo ohabolana an-jatony nampanoratiny an’i Solomona mpanjaka hendry ianao. Saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana no voaresaka ao. Ireto misy ohatra:

Fatokisana an’Andriamanitra. Tena ilaina ny matoky an’i Jehovah, mba hifandraisana tsara aminy. Hoy i Solomona: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Mangataka tari-dalana amin’Andriamanitra sy mankatò azy ny olona matoky azy, ka lasa misy dikany ny fiainany. Mampifaly ny fon’i Jehovah izany, sady manampy azy hamaly ny fiampangan’i Satana fahavalony.—Ohabolana 27:11.

Fifandraisana amin’olona. Tena mila ny torohevitr’Andriamanitra momba ny fianakaviana isika ankehitriny. Manoro hevitra ny lehilahy manambady izy, ohatra, hoe: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao”, izany hoe aza manitsakitsa-bady. (Ohabolana 5:18-20) Manampy ny vehivavy koa ny modely omen’ny vehivavy iray hajain’ny vady aman-janany, voaresaka ao amin’ny Ohabolana. (Ohabolana toko faha-31) Ny ankizy indray asaina mankatò ny ray aman-dreniny. (Ohabolana 6:20) Hita ao amin’ny Ohabolana koa fa tena ilaina ny namana, satria lasa tia tena ny olona mitokantokana. (Ohabolana 18:1) Mety hitaona antsika hanao ny tsara na hanao ratsy anefa ny namantsika, ka mila mahay mifidy namana isika.—Ohabolana 13:20; 17:17.

Fomba fiainan’ny tsirairay. Tena mahasoa ny torohevitry ny Ohabolana hoe tokony hazoto hiasa, hanana toe-po tsara fa tsy fihetseham-po manimba, ary tsy hiboboka toaka. (Ohabolana 6:6; 14:30; 20:1) Misy fampitandremana koa ao hoe mampidi-doza ny hevitr’olombelona, rehefa tsy mifanaraka amin’ny torohevitr’Andriamanitra. (Ohabolana 14:12) Misy fampirisihana koa hoe mila harovana amin’izay mety hanimba azy ny fo, satria “avy ao aminy ny loharanon’aina.”—Ohabolana 4:23.

Misy olona an-tapitrisany eran-tany mahatsapa fa nihatsara ny fiainany, rehefa nanaraka an’ireo torohevitra ireo izy. Tena miaiky izy ireo fa tsara ny manaiky an’i Jehovah ho Mpitondra.

​—Avy ao amin’ny bokin’ny Ohabolana.

  • Inona no asehon’ny bokin’ny Ohabolana momba an’i Jehovah?

  • Inona no lazain’ny Ohabolana momba ny fatokisana an’Andriamanitra sy ny fifandraisana amin’olona ary ny fomba fiainan’ny tsirairay?

BOKIN’NY MPITORITENY

Inona no azonao atao mba hampisy dikany ny fiainanao sy hahatonga anao ho sambatra? Tsara toerana hamaly izany i Solomona. Nanan-karena be sy tena hendry izy ary nanana fahefana lehibe, ka afaka nandinika raha tena mahasambatra ireo. Nifaly tamin’ny fananany izy, nanambady vehivavy maro tsara tarehy, ary nanao ny fialam-boly tsara indrindra. Nanorina trano lehibe maro izy, ary nandalina asa soratra maro. Hitany anefa fa “zava-poana ny zava-drehetra.” Izao no famaranan-teniny: “Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny, fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.”—Mpitoriteny 12:8, 13.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara