FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 18
  • Nanao Fahagagana i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao Fahagagana i Jesosy
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Fahagagana Nataon’i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Inona no Nataon’i Jesosy Tamin’izy Teto An-tany?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 18
Jesus touches a blind man’s eyes and cures him

FIZARANA 18

Nanao Fahagagana i Jesosy

Nasehon’i Jesosy tamin’ny fahagagana nataony hoe ahoana no hampiasany ny heriny rehefa ho lasa Mpanjaka izy

NOMEN’ANDRIAMANITRA hery hanaovana zavatra tsy vitan’olon-kafa i Jesosy. Nanao fahagagana maro izy, ary teny imasom-bahoaka izany matetika. Hita amin’ireny fa maharesy an’ireo sakana sy fahavalo tsy resin’ny olona mihitsy izy. Ireto misy ohatra:

Tsy fahampian-tsakafo. Nanova ny rano ho divay tena tsara i Jesosy tamin’ny fahagagana voalohany nataony. Indroa koa izy no namahana olona noana an’arivony, tamin’ny mofo sy trondro vitsivitsy monja. Nihoatra noho izay nilaina foana ny sakafo tamin’ireo.

Aretina. Nositranin’i Jesosy ny “karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra.” (Matio 4:23) Nositraniny ny olona jamba, marenina, boka, voan’ny androbe, malemy tongotra, ary kilemaina. Tsy nisy aretina tsy sitrany.

Toetrandro ratsy. Nandeha sambo niampita ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy sy ny mpianany, no nisy rivo-mahery namely tampoka. Natahotra be ny mpianatra. Vao nojeren’i Jesosy fotsiny anefa ilay rivotra, ary noteneniny hoe: “Mangina! Mitonia!”, dia tony be ny andro. (Marka 4:37-39) Nandeha teny ambony rano koa izy nandritra ny tafio-drivotra iray nampatahotra.—Matio 14:24-33.

Anjely ratsy. Mahery noho ny olona ny anjely ratsy, na fanahy ratsy, izay fahavalon’Andriamanitra. Tsy afa-miala eo ambany fifehezan’izy ireny ny olona maro. Rehefa nasain’i Jesosy nivoaka tao amin’ireo olona nampahoriny anefa izy ireny, dia tsy afaka nifehy an’ilay olona intsony. Tsy natahotra an’ireo anjely ratsy i Jesosy. Izy ireny no natahotra azy, satria fantatr’izy ireny fa nanana fahefana izy.

Fahafatesana. Antsoina hoe “fahavalo farany” ny fahafatesana, ary tsy misy olona maharesy azy io. (1 Korintianina 15:26) I Jesosy anefa nahavita nanangana zazavavy zanaky ny mpivady iray sy tovolahy zanaky ny vehivavy mpitondratena iray. Fa ny niavaka indrindra, dia ny nananganany an’i Lazarosy namany, teo anatrehan’ny vahoaka nitomany. Efa maty efatra andro izy io! Tsy nisy sahy nanda hoe nanangana an’i Lazarosy i Jesosy, eny fa na dia ireo fahavalony mafy hatoka indrindra aza.—Jaona 11:38-48; 12:9-11.

Nahoana i Jesosy no nanao an’ireny fahagagana ireny? Tsy maty ihany ve ireo olona nanaovany an’izany? Izany tokoa, kanefa tena nilaina ireny fahagagana ireny. Porofo izy ireny fa ho tanteraka ireo faminaniana rehetra mampientam-po momba ny fitondran’ny Mesia, izay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. Azo antoka fa ho vitany ny hanafoana ny tsy fahampian-tsakafo, aretina, toetrandro ratsy, anjely ratsy, ary na dia ny fahafatesana aza. Efa nasehony fa nomen’Andriamanitra hery hanaovana an’izany izy.

​—Avy ao amin’ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

  • Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa vitany ny manafoana ny tsy fahampian-tsakafo, ny aretina, ny toetrandro ratsy, ny anjely ratsy, ary ny fahafatesana?

  • Inona no asehon’ireo fahagagana nataon’i Jesosy, momba ny hoavy?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara