FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg 4 fan. 1-5
  • Iza moa i Jesosy Kristy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa i Jesosy Kristy?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Manavotra Antsika ny Nahafatesan’i Jesosy?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg 4 fan. 1-5

LESONA 4

Iza moa i Jesosy Kristy?

1. Iza no namorona an’i Jesosy?

1. Jesus in heaven; 2. Baby Jesus with Mary and Joseph; 3. Jesus teaching children

Nahoana ny olona no tsy nisalasala nanatona an’i Jesosy?—MATIO 11:29; MARKA 10:13-16.

I Jesosy no zavaboary voalohany noforonin’i Jehovah. Anjely tany an-danitra izy talohan’ny nahatongavany tetỳ. (Jaona 8:23) Nampiasain’i Jehovah izy tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra. Antsoina hoe Zanaka ‘lahitokan’Andriamanitra’ i Jesosy, satria izy irery no noforonin’i Jehovah mivantana. Antsoina hoe “ny Teny” koa izy, satria Mpitondra tenin’Andriamanitra.—Jaona 1:14.—Vakio ny Ohabolana 8:22, 23, 30; Kolosianina 1:15, 16.

2. Nahoana i Jesosy no tonga tetỳ an-tany?

Nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany izy, ka nataony tao an-kibon’i Maria, izay tovovavy jiosy mbola virjiny. Tsy olombelona àry no rain’i Jesosy. (Lioka 1:30-35) Antony telo no nahatongavany tetỳ: 1) Hampianatra ny marina momba an’Andriamanitra; 2) ho modely ho antsika, satria tsy nivadika izy na dia nisy zava-tsarotra aza; ary 3) hanome ny ainy lavorary ho “vidim-panavotana.”—Vakio ny Matio 20:28.

3. Nahoana isika no mila vidim-panavotana?

Ny vidim-panavotana dia vola na zava-tsarobidy aloa mba hanavotana ain’olona. (Eksodosy 21:29, 30) Tsy tokony ho faty na ho antitra mihitsy isika, raha ny fikasan’Andriamanitra. Nilaza mantsy i Jehovah fa raha nanota i Adama vao ho faty. Tsy tokony ho faty àry izy raha tsy nanota. (Genesisy 2:16, 17; 5:5) Hazavain’ny Baiboly hoe rehefa nanota i Adama dia lasa mpanota daholo ny taranany. Fahafatesana anefa no sazy vokatry ny ota. Noho izany, dia tsy maintsy maty daholo ny olona rehetra. Mila vidim-panavotana àry isika, satria voaheloka ho faty noho ny fahotan’i Adama.—Vakio ny Romanina 5:12; 6:23.

Iza no afaka manavotra antsika? Tsy misy olona tsy lavorary afaka mandoa vidim-panavotana mba hanafoanana ny fahotan’olon-kafa. Raha maty mantsy isika, dia ny sazintsika ihany no ho voaloantsika.—Vakio ny Salamo 49:7-9.

4. Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?

Jesus dying on a torture stake then later restored to life and ruling as King in heaven

Lavorary i Jesosy fa tsy mpanota toa antsika. Tsy hoe maty noho ny fahotany àry izy, fa noho ny fahotan’ny olombelona. Tena tia antsika Andriamanitra, ka nirahiny ny Zanany mba ho faty ho antsika. Tia antsika koa i Jesosy matoa nanaiky ho faty noho ny fahotantsika.—Vakio ny Jaona 3:16; Romanina 5:18, 19.

Jereo ilay video hoe Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy?

5. Inona izao no ataon’i Jesosy?

Nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty ary namonjy an’ireo nijaly i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Santionan’ny zavatra hataony amin’ny hoavy ireny. (Matio 15:30, 31; Jaona 5:28) Rehefa maty i Jesosy, dia natsangan’i Jehovah ho fanahy. (1 Petera 3:18) Niandry teo ankavanan’Andriamanitra izy taorian’izay, ary avy eo notendreny ho Mpanjaka. (Hebreo 10:12, 13) Efa manjaka any an-danitra izao i Jesosy, ary izany vaovao tsara izany no torin’ny mpanara-dia azy eran-tany.—Vakio ny Daniela 7:13, 14; Matio 24:14.

Kely sisa dia hampiasa ny fahefany i Jesosy, ka hanafoana ny fijaliana sy handringana an’izay rehetra mahatonga izany. Ireo mino sy mankatò azy kosa hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Vakio ny Salamo 37:9-11.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 4 sy 5 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara