FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg 9 fan. 1-5
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 1
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg 9 fan. 1-5

LESONA 9

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

1. Nahoana ny mpivady no tokony hisoratra?

A couple legally registering their marriage

Manana vaovao tsara ho an’ny fianakaviana i Jehovah. Andriamanitra falifaly mantsy izy, ka tiany ho faly amin’ny fiainana ny mpianakavy. (1 Timoty 1:11) Izy rahateo no namorona ny fanambadiana. Tena mila misoratra ny mpivady mba hifampatoky tsara sy hifandray am-po, ary ny zanak’izy ireo koa ho voaro sy hahatsapa hoe tena tiana. Manaja ny lalàn’ny taniny ny Kristianina, ka misoratra ara-panjakana rehefa hanambady. (Vakio ny Lioka 2:1, 4, 5).

Amin’Andriamanitra, dia tsy zavatra maivan-danja ny fanambadiana fa tokony haharitra mandrakizay. I Jehovah mihitsy no mandidy ny Kristianina mba tsy hivadika amin’ny vadiny. (Hebreo 13:4) Tena tsy tiany raha misaraka ny mpivady. (Malakia 2:16) Avelany hisaraka ihany anefa ny Kristianina, raha nijangajanga ny vadiny. Afaka manambady olon-kafa izy amin’izay raha tiany.—Vakio ny Matio 19:3-6, 9.

2. Ahoana no tokony ho fifandraisan’ny mpivady?

A happy husband and wife

Nataon’i Jehovah hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ary samy manana ny andraikiny. (Genesisy 2:18) Ny lehilahy no loham-pianakaviana. Izy no tena tokony hamelona ny ankohonany, sy hampianatra azy ireo ny Tenin’Andriamanitra. Tokony ho tia ny vadiny sy hahafoy tena ho azy izy. Mila mifankatia sy mifanaja ny mpivady. Samy manao fahadisoana izy ireo, ka tokony hifamela. Izany no tena mahasambatra ny tokantrano.—Vakio ny Efesianina 4:31, 32; 5:22-25, 33; 1 Petera 3:7.

3. Mety ve ny misaraka rehefa tsy mifanaraka?

Vao mainka tokony hiezaka hifaneho fitiavana ny mpivady, rehefa misy olana. (1 Korintianina 13:4, 5) Na eo aza ireo zava-manahirana mpitranga ao an-tokantrano, dia tsy mampirisika ny mpivady hisaraka mihitsy ny Baiboly. Tsy vahaolana mihitsy izany!—Vakio ny 1 Korintianina 7:10-13.

4. Tian’i Jehovah hanao ahoana ianareo ankizy?

Parents helping their children at home

Tiany ho sambatra ianareo. Omeny torohevitra tena tsara ianareo mba tena hahafinaritra ny fahatanoranareo. Tiany hankatò ray aman-dreny koa ianareo, satria hendry kokoa izy ireo sady efa nahita fiainana. (Kolosianina 3:20) Tian’i Jehovah ho tsapanareo hoe mahafaly ny manompo azy sy mampihatra izay nampianarin’ny Zanany.—Vakio ny Mpitoriteny 11:9–12:1; Matio 19:13-15; 21:15, 16.

5. Inona no andraikitrareo ray aman-dreny?

A parent talking to his child

Mila miasa mafy ianareo, mba hanomezana sakafo sy trano ipetrahana ary akanjo ho an’ny zanakareo. (1 Timoty 5:8) Tsy ho sambatra anefa ny zanakareo raha tsy ampianarinareo ho tia an’i Jehovah sy hanahaka azy. (Efesianina 6:4) Tena mandaitra koa ny modely omenareo. Raha hitan’izy ireo hoe tia an’Andriamanitra ianareo, dia hanohina ny fony izany. Hanana toe-tsaina tsara izy, raha ampianarinareo ny Tenin’Andriamanitra.—Vakio ny Deoteronomia 6:4-7; Ohabolana 22:6.

Mila ampirisihina hanao ny tsara ny ankizy, ary deraina rehefa nahavita zavatra. Mila anarina sy ahitsy koa anefa izy ireo. Miaro azy izany mba tsy hanao hadalana ka hiharan’ny voka-dratsiny. (Ohabolana 22:15) Tsy tokony hasiaka loatra anefa ianareo rehefa manasazy.—Vakio ny Kolosianina 3:21.

Mamoaka boky maro misy torohevitra ara-baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny ray aman-dreny sy ny zanaka.—Vakio ny Salamo 19:7, 11.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 14 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’​ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara