FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg 11 fan. 1-4
  • Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiofano Foana ny Feon’ny Fieritreretanao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg 11 fan. 1-4

LESONA 11

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

1. Nahoana isika no mila ny tari-dalan’Andriamanitra?

Bible principles applied: Mom uses child safety belt; dad & son use bike helmet; pregnant woman, worker each being cautions

Ahoana no hampiharanao an’ilay toro lalana hoe sarobidy ny aina?—SALAMO 36:9.

Hendry lavitra noho isika ny Mpamorona. Tia antsika izy, ka mitady izay hahasoa antsika. Fantany fa mila azy isika, satria tsy mahavita tena samirery. (Jeremia 10:23) Mila an’i Jehovah hitari-dalana antsika isika, toy ny ankizikely mila ny ray aman-dreniny hitari-dalana azy. (Isaia 48:17, 18) Nanome lalàna maro izy ao amin’ny Baiboly, mba hanoro antsika izay tokony hatao.—Vakio ny 2 Timoty 3:16.

Raha manaraka an’ireo lalàna sy toro lalana nomen’i Jehovah isika, dia ho tsara kokoa ny fiainantsika dieny izao ary hiaina mandrakizay isika. Izy no namorona antsika, ka tokony ho vonona hankatò ny lalàny sy ny toro lalany isika.—Vakio ny Salamo 19:7, 11; Apokalypsy 4:11.

2. Inona no tsy mampitovy ny lalàna sy ny toro lalana?

Ny lalàna dia didy mivantana, izay mihatra amin’ny toe-javatra sasany ihany. (Deoteronomia 22:8) Ny toro lalana kosa azo ampiharina amin’ny toe-javatra maro. Tsy mivantana anefa ilay izy, ka mila mampiasa saina isika mba hahitana izay tokony hampiharina. (Ohabolana 2:10-12) Ity, ohatra, misy toro lalana iray: Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina. Raha mitadidy an’izany isika dia hitandrina, mba tsy hisy loza hahavoa antsika sy ny olon-kafa. Hitandrina foana isika na any am-piasana, na ao an-trano, na eny an-dalana.—Vakio ny Salamo 36:9.

3. Inona no didy roa lehibe indrindra?

Nilaza i Jesosy fa didy roa no lehibe indrindra, ary misy toro lalana azo ampiharina avy amin’izy ireo. Ny voalohany dia hoe: Tiavo i Jehovah. Ilaina àry ny mianatra momba azy sy manompo azy, mba tena hisy dikany ny fiainantsika. Tokony hitadidy an’io toro lalana io isika, isaky ny hanapa-kevitra. (Ohabolana 3:6) Ho lasa naman’Andriamanitra izay manao izany, sady hiaina mandrakizay, ary tena ho sambatra.—Vakio ny Matio 22:36-38.

Ny faharoa dia hoe: Tiavo ny namanao. Manampy antsika hihavana amin’ny hafa izany. (1 Korintianina 13:4-7) Manahaka ny toetran’i Jehovah isika raha mampihatra an’io toro lalana io.—Vakio ny Matio 7:12; 22:39, 40.

4. Nahoana no mahasoa ny lalàn’Andriamanitra?

A happy family

Lasa miray saina sy mifankatia ny mpianakavy, rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Kolosianina 3:12-14) Sambatra koa ny mpivady sy ny ankizy, rehefa arahina ilay toro lalana hoe natao haharitra ny fanambadiana.—Vakio ny Genesisy 2:24.

Rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika, dia tony ny fontsika ary milamina ny saintsika. Mety hihatsara mihitsy aza ny fari-piainantsika. Tian’ny mpampiasa kokoa, ohatra, isika raha manao ny marina sy mazoto miasa. (Ohabolana 10:4, 26; Hebreo 13:18) Mampianatra antsika koa ny Baiboly mba hianina amin’izay ananantsika, sy hitadidy fa sarobidy noho ny harena ny hoe naman’i Jehovah.—Vakio ny Matio 6:24, 25, 33; 1 Timoty 6:8-10.

Ho salama kokoa isika raha mampihatra ny lalàn’Andriamanitra. (Ohabolana 14:30; 22:24, 25) Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tsy mety ny manao mamo. (Ohabolana 23:20) Tsy ho voan’ny aretina mahafaty na hiharan-doza isika, raha mankatò an’izany. Azo atao ny misotro toaka, raha araka ny antonony. (Salamo 104:15; 1 Korintianina 6:10) Mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly satria sady mandrara antsika tsy hanao ratsy no misakana antsika tsy hieritreri-dratsy. (Salamo 119:97-100) Mankatò ny lalàn’Andriamanitra àry ny Kristianina satria mahasoa izany, ary ny tena zava-dehibe dia hoe manome voninahitra an’i Jehovah izany!—Vakio ny Matio 5:14-16.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 12 sy 13 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara