FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb 41
  • Davida sy Saoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Davida sy Saoly
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 Samoela: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Nifidy An’i Saoly i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb 41
David shouts down to Saul’s camp

LESONA 41

Davida sy Saoly

Nataon’i Saoly lehiben’ny miaramila i Davida, rehefa avy namono an’i Goliata. Nandresy foana i Davida, ka lasa tian’ny vahoaka. Isaky ny avy niady izy, dia nitsena azy ny vehivavy, ary nandihy sady nihira hoe: ‘I Saoly nahafaty an’arivony, fa i Davida kosa nahafaty an’aliny.’ Lasa nialona an’i Davida àry i Saoly ka nitady hamono azy.

Nahay nitendry harpa i Davida. Rehefa nitendry harpa ho an’i Saoly izy indray andro, dia notorahan’i Saoly lefona. Nahay niala anefa izy, ka ny rindrina indray no voa. Nitady hamono an’i Davida foana i Saoly taorian’izay. Voatery nitsoaka i Davida tamin’ny farany, ka niafina tany amin’ny tany karakaina.

David takes Saul’s spear while he sleeps

Nitondra miaramila 3 000 i Saoly ka lasa nitady an’i Davida. Niafina tao amin’ny lava-bato anankiray i Davida sy ny namany indray andro, ary sendra niditra tao koa ry Saoly. Dia hoy ny naman’i Davida: ‘Izao ianao no afaka mamono an’i Saoly.’ Nijaikojaiko nankeo amin’i Saoly i Davida, dia notapahiny ny sisin’akanjony, nefa tsy fantatr’i Saoly akory. Nanenina be anefa i Davida avy eo satria tsy nanaja ny voahosotr’i Jehovah izy. Tsy navelany hamono an’i Saoly àry ny namany. Niteny tamin’i Saoly avy teny lavidavitra izy avy eo hoe: ‘Ianao ange teo azoko novonoina fa tsy novonoiko e!’ Tsy nitady hamono an’i Davida intsony ve i Saoly taorian’izay?

Mbola nitady an’i Davida ihany i Saoly sy ny miaramilany. Indray alina anefa rehefa natory ry zareo, dia iny i Davida sy Abisay zanak’anabaviny fa nijaikojaiko nanatona. Tafatory koa tamin’izay i Abnera mpiambina an’i Saoly. Dia hoy i Abisay: ‘Ao hovonoiko i Saoly.’ Hoy anefa i Davida: ‘An an an! I Jehovah ihany no hanasazy azy. Alaivo fotsiny ny lefony sy ilay fasiany rano, dia andao handeha.’

Niakatra teo amin’ny tendrombohitra teo akaiky teo i Davida, dia niantsoantso hoe: ‘Abnera, fa naninona ianao no tsy niambina ny mpanjaka? Aiza izao ilay fasiany rano sy ny lefony?’ Fantatr’i Saoly ny feon’i Davida, dia hoy izy: ‘Afaka namono an’ahy mihitsy ianao, nefa tsy namono. Fantatro fa ianao no ho mpanjakan’ny Israely any aoriana any.’ Lasa nody i Saoly avy eo. Fantatrao ve fa nisy tia an’i Davida ihany ny havan’i Saoly?

“Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra.” —Romanina 12:18, 19

Fanontaniana: Fa maninona i Saoly no te hamono an’i Davida? Fa maninona i Davida no tsy nety namono an’i Saoly?

1 Samoela 16:14-23; 18:5-16; 19:9-12; 23:19-29; 24:1-15; 26:1-25

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara