FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb 88
  • Nosamborina i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nosamborina i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Novonoina i Jesosy Kristy
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb 88
Judas betrays Jesus in the garden of Gethsemane

LESONA 88

Nosamborina i Jesosy

Efa taorian’ny misasakalina tamin’izay, ary fenomanana ny volana. Ireny i Jesosy sy ny apostoly fa mandalo eo amin’ny Lohasahan’i Kidrona. Nankeny amin’ny Tendrombohitra Oliva ry zareo, ary tonga tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Hoy i Jesosy: ‘Mijanòna eto dia aza matory.’ Dia niala kely an-dry zareo i Jesosy ary nandohalika. Natahotra be izy ka nivavaka tamin’i Jehovah hoe: ‘Aleo ny sitraponao foana no atao.’ Dia nisy anjely nalefan’i Jehovah hampahery azy. Nankeny amin’ny apostoly indray i Jesosy avy eo, dia ireo fa natory ry zareo. Hoy izy: ‘Mifohaza! Tsy tokony hatory ianareo fa efa ho tonga ilay hamadika an’ahy, dia hosamborin’ny fahavalo aho.’

Judas is given a bag of money

Tonga i Jodasy avy eo niaraka tamin’ny vahoaka nitondra sabatra sy kibay. Fantatr’i Jodasy hoe aiza no hahitana an’i Jesosy, satria efa mpankao amin’io zaridaina io ry zareo. Efa niteny tamin’ny miaramila izy fa hatorony an-dry zareo i Jesosy. Tonga dia nankeny amin’i Jesosy àry izy sady niteny hoe: ‘Manao ahoana Mpampianatra ô!’ Dia nanoroka azy izy. Hoy i Jesosy: ‘Manoroka an’ahy ve ianao nefa hamadika an’ahy?’

Nanatona an-dry zareo i Jesosy dia nanontany hoe: “Iza no tadiavinareo?” Dia hoy ry zareo: ‘I Jesosy avy any Nazareta.’ Hoy i Jesosy: ‘Izaho izany.’ Dia nihemotra ry zareo ka nianjera tamin’ny tany. Hoy ihany i Jesosy: ‘Fa iza ho’aho no tadiavinareo?’ Dia namaly ry zareo hoe: ‘I Jesosy avy any Nazareta.’ Hoy i Jesosy: ‘Efa hoe izaho ho’aho izany, fa avelao handeha ireto namako ireto.’

Taitra be i Petera ka nasiany tamin’ny sabatra i Malko, mpiasan’ny mpisoronabe, dia niala ny sofiny. Nokasihin’i Jesosy anefa ny sofiny dia sitrana. Dia hoy i Jesosy tamin’i Petera: ‘Ampirimo iny sabatra iny, fa raha mampiasa sabatra ianao dia ho fatin’ny sabatra.’ Nosamborin’ny miaramila i Jesosy avy eo, ary nofatoran-dry zareo ny tanany. Ny apostoly kosa lasa nitsoaka. Dia nentin’ny vahoaka tany amin’i Anasy, lehiben’ny mpisorona, i Jesosy. Nanontanintaniany teo izy, dia nalefany tany amin’i Kaiafa Mpisoronabe. Ary mba nanao ahoana ny apostoly?

“Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”—Jaona 16:33

Fanontaniana: Inona no nitranga tao amin’ny zaridainan’i Getsemane? Inona no azonao ianarana tamin’ilay nataon’i Jesosy tamin’io alina io?

Matio 26:36-57; Marka 14:32-50; Lioka 22:39-54; Jaona 18:1-14, 19-24

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara