Fampidirana ny Fizarana 14
Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana hatrany lavitra be ny Kristianina voalohany. Natoron’i Jesosy an-dry zareo hoe aiza avy no hitoriana. Nanao fahagagana koa i Jesosy dia afaka nampianatra olona samy hafa fiteny ry zareo. Nampian’i Jehovah ry zareo, dia lasa sahy nitory sy tsy nivadika na dia nenjehina mafy aza.
Nahazo fahitana avy tamin’i Jesosy ny apostoly Jaona, dia hitany ny voninahitr’i Jehovah. Hitany koa fa resin’ilay Fanjakan’ny lanitra i Satana ka foana ny fitondrany. Hitany koa i Jesosy sy ny 144 000 miara-manjaka aminy, sy ny tany lasa paradisa ary ny olona rehetra manompo an’i Jehovah sady mihavana sy miray saina.