HIRA 52
Fanokanan-tena ho An’Andriamanitra
Endrika Sary
1. Jehovah Ray ô, nataonao
’Zao rehetra misy izao.
Ny tany sy ny lanitra
Dia asa tananao.
Mpamorona ianao, Jehovah,
Avy aminao ny aina;
Ka mendrika hivavahana,
Ianao ’rery no hoderaina.
2. ’Lay Zanakao ’ndray andro izay,
Nivavaka, nilaza
Hoe: ‘Vonona aho ny hanompo anao,
Na mety ho sarotra aza.’
Nekeny ilay fanendrenao,
Tsy niahotra izy, sahy.
Rehefa avy natao batisa izy,
Voahosotry ny fanahy.
3. Jehovah ô, izahay koa,
’Zahay koa nanokan-tena.
Foinay ho anao ny fiainanay,
Tsy nisy noterena.
Nataonao vidin’ny ainay
Ny ran’ny Zanakao.
Na maty na velona izahay,
Dia mandrakizay ho anao!
(Jereo koa ny Mat. 16:24; Mar. 8:34; Lioka 9:23.)