HIRA 85
Mifandraisa Tsara Ianareo
Endrika Sary
1. Jehovah no manasa antsika androany,
Mba hianatra momba ny lalàny.
Isika izao handray ny ranon’aina,
Koa samy tonga soa! Eny, samy arahabaina!
2. Sambatra isika manana rahalahy,
’Zay tia antsika sy tena miahy.
Mba mifandraisa tsara amin’ny fo,
’Reo vaovao ihany koa raiso an-tanan-droa.
3. Jehovah tsy manavaka tokoa,
F’izay tso-po tiany avokoa.
’Sika rehetra notaomin’ny Ray,
Koa mifandraisa tsara amin’ny tsirairay.
(Jereo koa ny Jaona 6:44; Fil. 2:29; Apok. 22:17.)