HIRA 90
Andao Isika Hifampahery
1. Andao isika hifampahery
Dia samy hanohy ny fanompoana,
Mba tsy ho ketraka irery;
Hiaraha-mizaka izay midona.
Aleo mifankatia hatrany
Mba samy hiaritra avokoa,
Fa ny fiangonana ihany
No miaro amin’izay manjo.
2. Milaza teny mampahery
’Reo namana ’zay tena tia,
Sady amin’ny fotoana mety,
Ka tsapanao fa tsara erỳ!
Mahafaly koa ny miara-miasa
Satria ny tanjona iray ihany.
Na misy manavesatra aza,
’Ndao mba hifampitondra izany.
3. Ny farany efa manakaiky,
Mitombo ireo zava-mahory.
Vao mainka isika mila miaiky
Fa tena ilaina ny mivory.
Isika anie tsy miady ’rery,
Satria vahoaka tafaray.
Koa aoka samy hifampahery,
Tsy hivadika mandrakizay!
(Jereo koa ny Lioka 22:32; Asa. 14:21, 22; Gal. 6:2; 1 Tes. 5:14.)