HIRA 106
Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana
Endrika Sary
1. Jehovah Tompo no angataho
Dia hohatsarainy ireo toetranao.
Fa toetra iray no lehibe indrindra,
Dia ’lay fitiavana tsy mba ritra.
Fa na dia hendry sy matotra aza,
Na koa mahay sady tsara laza,
Dia tsinontsinona foana isika,
Raha ny fitiavana mangatsiaka.
2. ’Zay tia tokoa dia mitady homena,
Ka te hizara, tsy mba tia tena.
Mamindra fo fa tsy mankahala,
Mamela an’ireo rahalahy malala.
Fa ny fitiavana anie mahery,
Tsy mora kivy, mahari-pery.
Raha ny fitiavana no manjaka,
Ny mafy rehetra tsy maintsy zaka!
(Jereo koa ny Jaona 21:17; 1 Kor. 13:13; Gal. 6:2.)