10. Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
1 FIANAKAVIAN’ANDRIAMANITRA NY ANJELY
“Derao i Jehovah, ry anjeliny mahery dia mahery.”—Salamo 103:20
Inona no fantatsika momba ny anjely?
-
Noforonin’i Jehovah talohan’ny tany ny anjely.
-
An-tapitrisany ny anjely.
-
Mahaliana ny anjely foana izay ataon’i Jehovah amin’ny tany.
-
Tena tian’ny anjely ny olona manompo an’Andriamanitra.
2 MANAMPY NY MPANOMPON’I JEHOVAH NY ANJELY
“Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.”—Salamo 34:7
Tena manampy ve ny anjely?
Genesisy 19:15, 16; Daniela 6:22; Lioka 22:43; Asan’ny Apostoly 12:6-11
Nampian’ny anjely i Lota, Daniela, Jesosy, ary Petera.
-
Asain’i Jehovah manampy sy miaro ny mpanompony ny anjely izao.
3 TE HAMPIJALY ANTSIKA NY ANJELY RATSY
“Tsy ho voafitak’i Satana ianareo, fa fantatsika ny teti-dratsiny.”—2 Korintianina 2:11
Iza moa ny demonia ary inona no ataony?
-
Nanohitra an’i Jehovah ny anjely iray. Antsoina hoe Satana izy.
-
Nivadika ny anjely sasany tamin’ny andron’i Noa, ka nidina tetỳ an-tany.
-
Lasa naman’i Satana ireny anjely ireny ka lasa demonia.
-
Mamitaka sy mampijaly olona ny demonia.
4 HO VITANAO NY HANOHITRA AN’I SATANA SY NY DEMONIA
“Tohero ... ny Devoly, dia handositra anareo izy.”—Jakoba 4:7
Mila manao inona ianao mba hampian’i Jehovah hanohitra an’i Satana sy ny demonia?
-
Poteho daholo izay misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Tena ratsy izy ireny, na dia hoatran’ny mahafinaritra sy tsy mampaninona aza.
-
Ianaro ny Baiboly mba hatanjaka ny finoanao. Mivavaha mba harovan’i Jehovah ianao.
-
Ampiasao ny anaran’i Jehovah.