15. Iza no Tena Mpivavaka?
1 AHOANA NO HAMANTARANA NY FIVAVAHANA MARINA?
‘Tery ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.’—Matio 7:14
Tian’Andriamanitra daholo ve ny fivavahana?
-
Tsy ny fivavahana rehetra no tiany satria tsy izy rehetra no manao ny sitrapony.
-
Hiaina mandrakizay izay manaraka ny fivavahana marina, fa haringana mandrakizay izay any amin’ny fivavahan-diso.
-
Izay ataon’ny mpivavaka ao aminy no amantarana ny fivavahana marina. Tsy voatery hitety ny fivavahana rehetra ianao, fa ianaro fotsiny izay lazain’ny Baiboly.
2 INONA NO ATAON’NY TENA MPIVAVAKA?
1 Tesalonianina 2:13; 2 Timoty 3:16, 17
Mino sy mampianatra an’izay lazain’ny Baiboly.
-
Mivavaka amin’i Jehovah sy mampiasa ny anarany.
-
Mifankatia.
Jaona 3:36; Asan’ny Apostoly 4:12
Mankatò an’i Jesosy satria izy no ampiasain’i Jehovah mba hamonjena antsika.
Jaona 18:36; Asan’ny Apostoly 5:29
Tsy manao politika.
-
Mampianatra hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanafoana ny olana rehetra.
3 MILA MINO SY MAMPIHATRA AN’IZAY NIANARANAO IANAO
Tsy maintsy manao inona ianao raha tianao heken’Andriamanitra ny fanompoanao azy?
-
Tsy ampy ny mino an’Andriamanitra. Mila manaraka an’izay lazainy ao amin’ny Baiboly koa ianao.
-
Mampianatra zavatra tsy eken’Andriamanitra ny fivavahan-diso na “Babylona Lehibe”, anisan’izany ny hoe telo izay iray Andriamanitra, tsy mety maty ny fanahy, ary misy ny afobe.
-
Kely sisa dia haringan’i Jehovah ny fivavahan-diso rehetra. Na inona na inona àry avy amin’ny fivavahan-diso, dia tsy ataontsika.
-
Hanampy anao foana i Jehovah na dia misy manohitra aza ianao.