FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/5 4
  • Faminaniana 3. Aretina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Faminaniana 3. Aretina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/5 4

Faminaniana 3. Aretina

“Hisy areti-mandringana.”—LIOKA 21:11.

● Mpikarakara fahasalamam-bahoaka tany amin’ny tany iray rotidrotiky ny ady an-trano atsy Afrika i Bonzali. Niezaka mafy izy nitsabo an’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany voan’ny virosin’i Marburg.a Niangavy fanampiana tamin’ny manam-pahefana tany amin’ny tanàna iray lehibe kokoa izy, fa tsy nisy niraika. Efa-bolana taorian’izay vao tonga ny fanampiana, saingy efa maty i Bonzali. Nifindran’ny aretin’ireo mpitrandraka izy.

INONA NO ASEHON’NY ZAVA-MISY? Anisan’ny aretina mahafaty indrindra mpahazo ny olona ny aretin’ny taovam-pisefoana (toy ny pnemonia), ny aretim-pivalanana, ny SIDA, ny tioberkilaozy, ary ny tazo. Olona 10,7 tapitrisa eo ho eo no matin’ireo aretina ireo tamin’ny 2004, izany hoe olona iray isaky ny telo segondra.

INONA NO HEVITRY NY OLONA? Mitombo foana ny mponina eran-tany, ka tsy maintsy mihamaro ny karazan’aretina. Maro koa àry no mety harary.

MITOMBINA VE IZANY? Marina fa mitombo be ny mponina eran-tany. Mihamahay mamantatra sy mifehy ary mitsabo aretina koa anefa ny olombelona. Tsy tokony hihena àry ve, raha izany, ny aretina sy ny olona marary? Ny mifanohitra amin’izany anefa no mitranga.

AHOANA NY HEVITRAO? Mampijaly ny olona tokoa ve ny aretina, araka ny efa nolazain’ny Baiboly?

Mampijaly olona an-tapitrisany ny horohoron-tany sy ny mosary ary ny aretina. An-tapitrisany hafa koa anefa no ampijalin’ny mpiara-belona aminy, ary ny olona tokony hiaro azy ihany no mampahory ny ankamaroany. Diniho izay lazain’ny Baiboly momba izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Virosy misy ifandraisana amin’ny virosin’i Ebola no mahatonga ny Fanaviana Mampivoa-dra An’i Marburg.

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Mampahonena ny mahita olona arapaky ny liona na biby hafa. Tsy misy hafa amin’izany koa anefa ny hoe kikisan’ny aretina mahatsiravina ianao sy ny manodidina anao.”—MICHAEL OSTERHOLM, MPANDINIKA VALANARETINA.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

© William Daniels/Panos Pictures

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara