17-23 Desambra
ASAN’NY APOSTOLY 15-16
Hira 96 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Fanapahan-kevitra Niorina Tamin’ny Tenin’Andriamanitra”: (10 min.)
As 15:1, 2: Saika nampizarazara ny fiangonana ilay raharaha momba ny famorana (bt 102 § 8)
As 15:13-20: Niorina tamin’ny Soratra Masina ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana (w12 15/1 5 § 6-7)
As 15:28, 29; 16:4, 5: Nampahery ny fiangonana ilay fanapahan-kevitra (bt 123 § 18)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
As 16:6-9: Raha te hampitombo ny fanompoantsika isika, inona no ianarantsika avy amin’io fitantarana io? (w12 15/1 10 § 8)
As 16:37: Nahoana no nanampy an’i Paoly hitory ny vaovao tsara ny zom-pirenena romanina nananany? (“Romanina izahay” fanazavana As 16:37, nwtsty)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) As 16:25-40
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) Vao manomboka miresaka an’ilay hevitra azo resahina ianao dia manohitra ilay olona. Fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy, ary miezaka mamaly azy ianao.
Fiverenana Mitsidika Voalohany: (3 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. Teneno ilay olona fa tianao haseho azy ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? (mody asehoy fotsiny fa aza alefa). Iaraho midinika ilay izy avy eo.
Video Fiverenana Mitsidika Faharoa: (5 min.) Alefaso ilay video ary iaraho midinika.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Mihirà ho An’i Jehovah Amin’ny Fo Falifaly”: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Ankizy Midera An’i Jehovah Amin’ny Hira. Rehefa hifarana ilay anjara, dia alefaso ilay video hoe Hira 084 Vonona Aho! Asao ny mpanatrika hitsangana, ary hanao an’io hira io miaraka amin’ireo ankizy ao amin’ilay video.
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 46
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 102 sy Vavaka