HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 KORINTIANINA 7-10
Anisan’ny Fanompoana ny Fanampiana Tra-boina
Misy karazany roa ny fanompoana ataon’ny Kristianina. Ny “fanompoana fampihavanana” no voalohany, izany hoe ny fitoriana sy ny fampianarana. Ny fanampiana an’ireo mpiara-manompo tra-boina no faharoa. (2Ko 5:18-20; 8:4) Inona no vokany raha manao zavatra ho an’ireo mpiara-manompo mila fanampiana isika?
Hahazo izay ilainy izy ireo.—2Ko 9:12a
Ho afaka hiverina amin’ny fahazarany teo aloha izy ireo, ohatra hoe mivory, mitory, na mianatra samirery. Izany no fomba ampisehoany hoe mankasitraka an’i Jehovah izy.—2Ko 9:12b
Hahazo voninahitra i Jehovah. (2Ko 9:13) Efa fitoriana vita ho azy ny fanampiana an’ireo mpiara-manompo tra-boina. Na ireo manana hevi-diso momba antsika aza mety ho liana amin’ny fahamarinana, rehefa mahita antsika mifanampy