NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Fahafoizan-tena ho An’Andriamanitra sa Fanatanjahan-tena?
Mahasoa ny fanatanjahan-tena. Be lavitra anefa ny soa horaisintsika raha mahafoy tena ho an’Andriamanitra isika. (1Ti 4:8) Mila mahay mandanjalanja àry isika amin’ny resaka fanatanjahan-tena.
JEREO ILAY VIDEO HOE INONA NO TOKONY HO FANTATRAO MOMBA NY SPAORO?, ARY VALIO IRETO:
1. Inona ny soa azontsika rehefa manao fanatanjahan-tena isika?
2. Inona ny zavatra telo mila dinihina mba hahitana raha mety ny fanatanjahan-tena iray na tsia?
3. Nahoana ny Salamo 11:5 no manampy antsika hifidy ny fanatanjahan-tena hataontsika sy hojerentsika?
4. Rehefa manao fanatanjahan-tena isika, inona ny toe-tsaina tsy tokony hananantsika, araka ny Filipianina 2:3 sy ny Ohabolana 16:18?
5. Tsy tokony handany fotoana be hijerena na hanaovana fanatanjahan-tena isika. Nahoana ny Filipianina 1:10 no manampy antsika amin’izany?