NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Iezaho Fantarina ny Tsipiriany Rehetra
Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly ianao, dia iezaho fantarina izay rehetra tafiditra amin’ilay izy. Jereo hoe inona ny zava-nisy tamin’izany, ary iza avy no tafiditra amin’ilay tantara. Raha nisy zavatra nataon’ilay olona, dia saintsaino hoe inona no mety ho nahatonga azy hanao an’izany. Alao sary an-tsaina koa hoe hoatran’ny ahoana ilay toerana, inona avy ny feo re sy ny fofona heno, ary nanao ahoana ny fihetseham-pon’ireo olona tantaraina ao.
ALEFASO ILAY VIDEO HOE HATSARAO NY FAMAKIANAO BAIBOLY—AMPAHANY, ARY VALIO IRETO:
Inona no mety ho nahatonga ny olana teo amin’i Josefa sy ireo rahalahiny?
Mora nentim-po ny rahalahin’i Josefa sady tsy nieritreritra tsara. Inona no mety ho anton’izany?
Inona no fantatsika momba an’i Jakoba, rain’i Josefa, rehefa jerena ny Soratra Masina?
Inona ny ohatra tsara nomen’i Jakoba an’ireo zanany lahy momba ny fandaminana tsy fifanarahana?
Inona ny soa noraisinao rehefa nijery an’iny video iny ianao?