NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Miaro ny Vahoakany i Jehovah
Tena niavaka ilay Paska voalohany nataon’ny Israelita. Rehefa hitan’i Farao, tamin’io alina io, hoe maty ny lahimatoany, dia nilaza tamin’i Mosesy izy hoe: “Mandehana miala eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny zanak’Israely, ary mandehana manompo an’i Jehovah araka izay efa nolazainareo.” (Ek 12:31) Nasehon’i Jehovah avy amin’izany hoe miaro ny vahoakany izy.
Hita avy amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao, fa mbola mitarika sy miaro azy ireo foana i Jehovah. Manasongadina an’izany ilay fampirantiana ao amin’ny foibe hoe “Vahoaka Mitondra ny Anaran’i Jehovah.”
JEREO ILAY VIDEO HOE FITSIDIHANA NY TRANOMBAKOKA ANY WARWICK: “VAHOAKA MITONDRA NY ANARAN’I JEHOVAH.” VALIO IRETO AVY EO:
Inona ny zava-baovao nampiasain’ny Mpianatra ny Baiboly, nanomboka tamin’ny 1914, mba hanampiana ny olona hino hoe tenin’Andriamanitra ny Baiboly? Nisy vokany tsara ve izy io?
Inona ny fitsapana nitranga tamin’ny 1916 sy 1918? Inona anefa no nampiseho fa nitarika ny fandaminana foana i Jehovah?
Ahoana no ahitana hoe tsy nivadika ny vahoakan’i Jehovah na dia teo aza ny fanenjehana?
Inona no lasa nazava tamin’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1935, ary inona no vokatr’izany tamin’izy ireo?
Inona tamin’ilay video teo no mampiaiky anao fa tena mitarika sy miaro ny vahoakany i Jehovah?