10-16 AOGOSITRA
EKSODOSY 15-16
Hira 149 sy Vavaka
Teny Fampidirana (1 min.)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Miderà An’i Jehovah Amin’ny Hira”: (10 min.)
Ek 15:1, 2: Nanao hira fiderana ho an’i Jehovah i Mosesy sy ireo lehilahy israelita (w95 15/10 11 § 11)
Ek 15:11, 18: Mendrika ny hoderaina i Jehovah (w95 15/10 11-12 § 15-16)
Ek 15:20, 21: Nanao hira fiderana ho an’i Jehovah i Miriama sy ireo vehivavy israelita (it “Mozika”: “Karazana mozika resahin’ny Baiboly” § 5; it “Mpaminanivavy” § 2)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (10 min.)
Ek 16:13: Papelika no nomen’i Jehovah an’ireo Israelita tamin’izy ireo tany an-tany efitra. Inona no mety ho anton’izany? (w11 1/9 14)
Ek 16:32-34: Taiza no nitehirizana an’ilay siny nisy mana? (w06 15/1 31 § 3)
Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny harena miafina hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ek 16:1-10 (th lesona 10)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Video Fitoriana: (4 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana: Ahoana no ahitana hoe nahay nametraka fanontaniana i Linda? Inona no mampiseho fa nahay nanazava an’ilay andininy izy?
Fitoriana: (3 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Manolora boky na zavatra hafa anisan’ny Fitaovana Fampianarana. (th lesona 3)
Fitoriana: (5 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Teneno ilay olona fa tianao haseho azy ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly? (mody asehoy fotsiny fa aza alefa). Iaraho midinika ilay izy avy eo. (th lesona 9)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Midera An’i Jehovah Ianao Raha Manao Mpisava Lalana”: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Izy Telo Mirahavavy any Mongolia. Manadinadìna rahalahy na anabavy iray mpisava lalana maharitra, na efa nanao an’izany taloha. Fanontaniana: Inona ny olana natrehinao rehefa nanao mpisava lalana ianao? Inona no fitahiana azonao?
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 127, efajoro “Ilay Sahan-dra”
Teny Famaranana (3 min. na latsaka)
Hira 16 sy Vavaka