HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 35-36
Ampian’i Jehovah Isika mba Hahavita ny Asany
Nanome toromarika tamin’ny an-tsipiriany i Jehovah hoe ahoana no tokony hanamboarana ny tranolay masina. Nanampy an’i Bezalila sy Oholiaba hanaraka tsara an’izany toromarika izany ny fanahy masina. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 1.) Afaka manampy antsika koa ny fanahin’i Jehovah. Inona no azontsika atao mba hahazoana azy io?
Mila mangataka ny fanahy masina isika, mba hampitombo ny fahaizantsika rehefa manao ny asan’i Jehovah
Tokony hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra isika
Tokony hataontsika amin’ny fo manontolo izay asa anendrena antsika
Afaka manampy antsika amin’izay fanendrena azontsika i Jehovah. Amin’inona, ohatra?