“Ny fitiavan’i Kristy no manery anay.”—2Ko 5:14
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hanao Mpisava Lalana Mpanampy ve Ianao Amin’ny Martsa na Aprily?
Te hanompo bebe kokoa ve ianao mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana? (2Ko 5:14, 15) Afaka mifidy ny hanatratra 30 na 50 ora izay manao mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily. Raha afaka manao an’izany ianao, dia omeo ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana ny fangatahanao. Ampandrenesina amin’ny fiangonana, isam-bolana, ny anaran’ireo manao mpisava lalana mpanampy. Ho afaka hanohana azy ireo ny mpitory hafa amin’izay. Enga anie isika rehetra hanararaotra hifampahery sy hanatsara ny fahaizantsika mitory, mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana.—1Te 5:11.