4-10 NOVAMBRA
SALAMO 105
Hira 3 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. “Tadidiny Mandrakizay ny Fifanekena Nataony”
(10 min.)
Nisy fampanantenana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama ary naveriny tamin’i Isaka sy Jakoba ilay izy (Ge 15:18; 26:3; 28:13; Sl 105:8-11)
Hoatran’ny hoe tsy ho tanteraka ilay fampanantenana (Sl 105:12, 13; w23.04 18:11, 12)
Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama (Sl 105:42-44; it-2 1014 § 10)
SAINTSAINO IZAO: ‘Nahoana izany no manampy ahy hatoky tanteraka an’i Jehovah?’
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Sl 105:17-19: Nahoana no milaza ny Baiboly hoe nanadio an’i Josefa “ny tenin’i Jehovah”? (w87 1/2 19 § 15)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(1 min.) ISAN-TRANO. Mbola sahirana ilay tompon-trano. (lmd 2:5)
5. Miresadresaha Aloha
(2 min.) ISAN-TRANO. Farano ny resaka rehefa manomboka miady hevitra ilay olona. Miezaha anefa ho tsara fanahy. (lmd 4:5)
6. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. Omeo gazety miresaka momba ny foto-kevitra nahaliana azy ilay olona. (lmd 8:3)
7. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Iresaho momba ny programa JW Library® ilay olona, dia atoroy azy ny fomba ampidirana an’ilay izy ao amin’ny fitaovany. (lmd 9:5)
Hira 84
8. Asehoy hoe Tianao Ilay Zanak’i Jehovah
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Asehontsika hoe tia an’i Kristy Jesosy Mpanjakantsika isika, rehefa mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Lasa faly i Jehovah ary mandray soa ny mpiara-manompo amintsika rehefa asehontsika hoe tiantsika ilay Zanak’i Jehovah. (Jn 14:23) Hita ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Fomba Ampiasana ny Fanomezanao”, ao amin’ny jw.org, fa tena manampy be ny mpiara-manompo amintsika eran-tany ny fanomezana ataontsika.
Alefaso ilay VIDEO hoe Mahasoa ny Hafa ny Fanomezana Ataonao. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
Ahoana no nampiasana ny fanomezana mba hiarovana ny zon’ireo rahalahintsika hanaraka ny fivavahany?
Nahoana no manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana ny fiezahan’ny fandaminana hampisy “fitoviana” eo amin’ny fampiasana ny fanomezana?—2Ko 8:14
Ampiasaina mba handikana Baiboly amin’ny fiteny be dia be ny fanomezana ataontsika. Inona avy ny soa azo avy amin’izany?
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) w22.02 6:10-19