FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g18.2 12
  • 12 Manàna Tanjona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 12 Manàna Tanjona
  • Mifohaza!—2018
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA IZANY?
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Afaka ny ho Be Fanantenana Foana Ianao
    Mifohaza!—2004
  • Miezaha Handroso Foana
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Torohevitra Hanampy Anao Hifidy sy Hanatratra Tanjona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Mifohaza!—2018
g18.2 12
A young man prepares a blueprint

Hoatran’ny hoe mieritreritra ny hanao trano ianao rehefa manana tanjona. Ilana ezaka ilay izy raha tiana ho vita

HO AN’NY TANORA

12 Manàna Tanjona

AHOANA IZANY?

Tsy mitovy amin’ny hoe manonofy ny hoe manana tanjona, fa misy zavatra tsy maintsy atao. Mila alaminao mialoha ny fomba hanatratrarana an’ilay izy, mila fantarinao hoe inona no hatao raha misy olana, ary mila miezaka mafy ianao avy eo mba ho tratra ilay tanjona.

Misy tanjona azo tratrarina ao anatin’ny andro na herinandro vitsivitsy, ary misy indray amam-bolana. Ny hafa kosa mety ho aman-taonany vao ho tratra. Ho tratranao anefa ilay izy raha zarazarainao ho dingana maromaro.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Rehefa mahatratra tanjona ianao, dia hatoky tena kokoa, hahazo namana, ary ho faly kokoa.

Hatoky tena: Ho sahy hanatratra tanjona sarotra kokoa ianao, raha mahavita manatratra tanjona tsotsotra. Lasa matoky tena kokoa ianao, ka afaka miatrika an’ireo olana fahita isan’andro, ohatra hoe taomin’ny namana haditra.

Hahazo namana: Ho tian’ny olona ny hiaraka aminao raha manana tanjona ianao, izany hoe fantatrao izay tianao hatao ary vonona hamita an’ilay izy ianao. Vao mainka ianao sy ny namanao ho lasa mpinamana be raha miara-manatratra tanjona ianareo.

Ho faly kokoa: Ho faly sy ho afa-po ianao, raha nanana tanjona ary tratranao ilay izy.

“Tiako ilay manana tanjona. Lasa tsy maintsy miezaka manatratra an’ilay izy mantsy aho. Faly be aho avy eo rehefa tratrako ilay tanjoko, satria vitako ihany ilay zavatra tiako hatao.”—Christophe.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.”—Mpitoriteny 11:4.

INONA NO AZONAO ATAO?

Andramo ireto raha te hanana tanjona sy te hanatratra an’ilay izy ianao:

Fantaro hoe inona no tanjonao. Soraty izay tanjona tonga ao an-tsainao, dia avy eo alaharo hoe iza no tianao hotratrarina voalohany, faharoa, fahatelo, sy aorian’izay.

Mahaiza mandamina mialoha. Ataovy foana ireto mba ho tratranao ny tanjonao:

  • Farito izay daty mety tsara hamitana azy.

  • Fantaro ireo dingana mila atao.

  • Eritrereto izay olana mety hitranga sy ny fomba hamahana azy.

Atombohy amin’izay. Eritrereto izay zavatra mila ataonao voalohany ary tonga dia ataovy ilay izy, na dia mbola tsy milamina aza ny zavatra sasany. Soraty amin’ny taratasy izay dingana vitanao.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”—Ohabolana 21:5.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara