LESONA 14
Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra
Ampirisihin’i Satana hanao ratsy ny olona. Tokony hankahala ny zavatra halan’i Jehovah, izay te ho namany. (Salamo 97:10) Ireto ny sasany amin’izany:
Mijangajanga. “Aza manitsakitsa-bady.” (Romanina 13:9) Tsy mety koa raha manao firaisana ny olona roa mbola tsy mpivady.—1 Korintianina 6:18.
Mamo. ‘Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny mpimamo.’—1 Korintianina 6:10.
Mamono olona, manala zaza. “Aza mamono olona.”—Eksodosy 20:13.
Mangalatra. “Aza mangalatra.”—Eksodosy 20:15.
Mandainga. Halan’i Jehovah “ny lela fandainga.”—Ohabolana 6:17.
Tezitra be loatra, mahery setra. Anisan’ny ‘asan’ny nofo ny fipoahan’ny fahatezerana.’ (Galatianina 5:19, 20) ‘Halan’i Jehovah ny [olona] mifaly hampidi-doza’, izany hoe tia herisetra.—Salamo 11:5.
Miloka. Tsy tokony ho “tia tombony azo tamin’ny tsy marina” ny Kristianina.—1 Timoty 3:8.
Manavakava-bolon-koditra. “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha mandrakariva ho an’izay manenjika anareo.”—Matio 5:43, 44.
Mahasoa antsika ny manaraka izay lazain’Andriamanitra. Tsy mora foana anefa izany. Hanampy anao i Jehovah sy ireo Vavolombelony, mba tsy hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra ianao.—Isaia 48:17; Filipianina 4:13; Hebreo 10:24, 25.