FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 6
  • Tsy Nivadika Mihitsy i Joba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Nivadika Mihitsy i Joba
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • “Aoka Ianao Hanantena An’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Iza i Joba?
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 6
Job with boils on his body

FIZARANA 6

Tsy Nivadika Mihitsy i Joba

Nilaza i Satana fa hivadika amin’Andriamanitra i Joba. Tsy nivadika mihitsy anefa izy

HISY olona tsy hivadika amin’Andriamanitra ve na dia iharam-pitsapana mafy aza, ary na dia toa tsy misy soa azo aza amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra? Nipoitra tamin’ny andron’i Joba, havan’i Abrahama, io fanontaniana io, ary voavaly tamin’izany fotoana izany koa.

Nipetraka tany Arabia i Joba, raha mbola tany Ejipta ny Israelita. Nivory tany an-danitra ny anjely tamin’izany, anisan’izany i Satana mpikomy. Nilaza teo anatrehan’izy ireo i Jehovah hoe natoky an’i Joba mpanompony. Nilaza koa izy fa tsy nisy olona tahaka an’i Joba raha ny amin’ny tsy fivadihana. Nanizingizina anefa i Satana fa matoa i Joba manompo an’Andriamanitra, dia satria notahiny sy narovany. Nilaza izy fa hanozona an’Andriamanitra i Joba, raha hesorina aminy izay rehetra ananany.

Angels in heaven gathered before God and Satan is among them

Navelan’i Jehovah hitsapa an’i Joba àry i Satana, ka nataony fongana ny harenany, ary novonoiny ny zanany. Nataony koa izay hampaharary azy. Tsy takatr’i Joba hoe nahoana Andriamanitra no namela azy hiharan’izany rehetra izany, satria tsy fantany fa i Satana no nahatonga izany. Tsy nivadika mihitsy anefa izy.

Namangy an’i Joba ny namany telo lahy taorian’izay. Mahafeno pejy maro ao amin’ny bokin’i Joba ny tenin’ireo namana sandoka ireo. Tian’izy ireo hino i Joba hoe nanasazy azy Andriamanitra satria nanao fahotana miafina izy. Nilaza mihitsy aza izy ireo hoe tsy mba faly amin’ny mpanompony Andriamanitra, ary tsy matoky azy ireo. Tsy nanaiky an’izany hevi-diso izany anefa i Joba. Nanizingizina izy fa tsy hivadika mandra-pahafatiny!

Diso koa anefa i Joba, satria ny hanamarina ny tenany no tena noeritreretiny. Nanitsy azy àry i Eliho, lehilahy tanora kokoa izay nihaino ny resak’izy efa-dahy. Nohazavainy fa ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra no zava-dehibe kokoa noho ny fanaporofoana hoe marina ny olona iray. Nanariny mafy koa izy telo lahy.

Nanitsy ny fomba fisainan’i Joba i Jehovah Andriamanitra avy eo. Nasainy nandinika zavaboary maro mahatalanjona i Joba, mba hahitany fa tena bitika ny olona raha oharina amin’Andriamanitra. Nanetry tena i Joba ka nanaiky nahitsy. Nanasitrana azy àry i Jehovah, izay ‘be fitiavana sady mamindra fo.’ (Jakoba 5:11) Nanome azy zanaka folo sy harena avo roa heny noho ny nananany teo aloha koa izy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Joba, na dia niharan’ny fitsapana faran’izay mafy aza. Voaporofony tamin’izany fa diso ilay tenin’i Satana hoe hivadika amin’Andriamanitra ny olona raha iharam-pitsapana.

​—Avy ao amin’ny bokin’i Joba.

  • Inona no nolazain’i Satana momba an’i Joba?

  • Inona no voaporofo rehefa tsy nivadika tamin’i Jehovah i Joba?

RAHARAHA NIADIAN-KEVITRA

I Joba no olona tsy nanan-tsiny sy natahotra an’Andriamanitra indrindra tamin’ny androny. Nilaza anefa i Satana fa fitiavan-tena no nanompoan’i Joba an’i Jehovah, ary toy izany koa, hono, ny olona sy ny anjely rehetra. Nilaza izy fa mety hivadika amin’i Jehovah daholo ny olona. Mifandray amin’ilay raharaha lehibe nipoitra tao Edena izany, dia ilay hoe: Manana zo hitondra ve i Jehovah, ary manao ny rariny ve izy? Asehon’ny bokin’i Joba fa manamarina ny zon’i Jehovah hitondra ny olona sy ny anjely raha tsy mivadika aminy.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara