FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 7
  • Nanafaka ny Israelita Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanafaka ny Israelita Andriamanitra
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Ireo Loza Telo Voalohany
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 7
Moses holds the two stone tablets containing the Ten Commandments

FIZARANA 7

Nanafaka ny Israelita Andriamanitra

Namely an’i Ejipta tamin’ny loza maromaro i Jehovah. Nitarika ny Israelita niala tany amin’io tany io i Mosesy, ary nampiasa azy i Jehovah mba hanomezana Lalàna ho azy ireo

TANY Ejipta nandritra ny taona maro ny Israelita, ary nihananan-karena sy nihamaro. Mpanjaka lozabe anefa ilay Farao vaovao tao, sady tsy nahalala an’i Josefa. Natahotra izy io rehefa nihamaro ny Israelita, ka nataony andevo izy ireo. Namoaka didy koa izy hoe hatsipy ao amin’ny Reniranon’i Neily ny zazalahy israelita rehetra vao teraka. Niaro ny zanany anefa ny vehivavy iray be herim-po, ka nametraka azy tao anaty vata kely ary nanafina azy teo anelanelan’ny bararata naniry. Hitan’ny zanakavavin’i Farao ilay zaza, ka nomeny anarana hoe Mosesy, ary nobeaziny tao an-dapa.

Nahita olana i Mosesy tamin’izy 40 taona, satria niaro andevo israelita iray nokapohin’ny Ejipsianina, lehiben’ny mpiasa. Nandositra izy noho izany, ka nipetraka tany an-tany hafa. Nasain’i Jehovah niverina anefa izy rehefa 80 taona, mba hangataka an’i Farao hanafaka ny Israelita. Nanaiky izy, ary niresaka tamin’i Farao.

Tsy nety mihitsy anefa i Farao, ka nandefa loza folo Andriamanitra. Taorian’ny loza voalohany, dia nolazain’i Mosesy an’i Farao foana ny fomba hisorohana ny loza manaraka. Tsy nankatò anefa i Farao sady nanamavo an’i Mosesy sy Jehovah. Novonoin’i Jehovah àry ny lahimatoa rehetra, tamin’ny loza fahafolo. Avotra kosa ny lahimatoan’ireo nankatò ny tenin’i Jehovah hoe hosorana ny ran’ny zanak’ondry atao sorona ny tolàm-baravarana. Nolalovan’ilay anjely mpandringana fotsiny ny tranon’izy ireo. Nankalazain’ny Israelita isan-taona io fanafahana mahagaga io, ary nantsoiny hoe Paska ilay fety.

Maty koa ny lahimatoan’i Farao, ka nasainy niala tao Ejipta ny Israelita. Niomana haingana ny vahoaka ary niara-niainga. Nenjehin’i Farao indray anefa izy ireo, ary nitondra miaramila sy kalesy maro be izy. Toa tapi-dalan-kaleha àry ny Israelita, teo amoron’ny Ranomasina Mena. Nosarahin’i Jehovah anefa ny rano, ka lasa toy ny rindrina goavana teo amin’ny sisiny roa! Nandeha tamin’ny tany maina àry ny Israelita. Nirohotra nanaraka avy ao aoriana i Farao sy ny tafiny, nefa naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny ny rano ka tototra tao izy ireo.

Nanao fifanekena tamin’ny Israelita i Jehovah, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ka i Mosesy no mpanelanelana. Nanome lalàna hitari-dalana sy hiaro azy ireo i Jehovah tamin’izay. Raha tsy mivadika izy ireo fa manaiky an’i Jehovah ho Mpitondra, dia homba azy ireo izy, ary amin’ny alalan’izy ireo no hitahiana ny firenen-kafa.

Tsy natoky an’i Jehovah anefa ny ankamaroan’ny Israelita, ka tezitra izy. Nataony nirenireny 40 taona tany an-tany efitra izy ireo. Taorian’izay, dia notendren’i Mosesy handimby azy i Josoa, lehilahy nanao ny marina. Tonga teo akaikin’ilay tany nampanantenaina an’i Abrahama ihany àry ny Israely tamin’ny farany.

​—Avy ao amin’ny Eksodosy; Levitikosy; Nomery; Deoteronomia; Salamo 136:10-15; Asan’ny Apostoly 7:17-36.

  • Tantarao ny fiainan’i Mosesy hatramin’ny nahaterahany ka hatramin’ny nanirahan’i Jehovah azy.

  • Nahoana ny Israelita no nankalaza ny Paska?

  • Ahoana no nanafahan’i Jehovah ny Israelita?

NY DIDY LEHIBE INDRINDRA

Ny Didy Folo ao amin’ny Eksodosy 20:1-17 angamba no tena be mpahalala, amin’ireo lalàna 600 eo ho eo, nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. Rehefa nanontaniana anefa i Jesosy hoe iza no lehibe indrindra amin’ireo, dia hoy izy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.”—Marka 12:28-30; Deoteronomia 6:5.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara