FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 24
  • Ireo Taratasin’i Paoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Taratasin’i Paoly
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Torohevitra Momba ny Finoana sy Fitondran-tena ary Fitiavana
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Voaroaka tao Amin’ny Paradisa
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Tao Amin’ny Paradisa ny Olona
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 24
Under house arrest, Paul dictates a letter

FIZARANA 24

Ireo Taratasin’i Paoly

Nanoratra taratasy hampaherezana ny fiangonana kristianina i Paoly

VAO niforona ny fiangonana kristianina tamin’izay, ary handray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah izy io. Tsy ela taorian’izay anefa dia nenjehina ny Kristianina. Nisy olana hafa koa teo anivon’ny fiangonana. Tsy hivadika amin’Andriamanitra àry ve ireo Kristianina ireo? Nahazo torohevitra sy fampaherezana izy ireo, ao amin’ireo taratasy 21 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na “Testamenta Vaovao.”

Ny apostoly Paoly no nanoratra ny 14 amin’ireo: Ny Romanina ka hatramin’ny Hebreo. Mitondra ny anaran’ireo olona na fiangonana nandefasany azy izy ireo. Ireto ny santionany amin’ny zavatra nosoratany:

Torohevitra momba ny fitondran-tena. ‘Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra’ ireo zatra mijangajanga, na manitsakitsa-bady, na manao fahotana lehibe hafa. (Galatianina 5:19-21; 1 Korintianina 6:9-11) Tsy maintsy miray saina ny mpanompon’Andriamanitra na inona na inona fireneny. (Romanina 2:11; Efesianina 4:1-6) Tokony hahafoy tena hanampy ny mpiray finoana sahirana izy ireo, ary hanao izany amim-pifaliana. (2 Korintianina 9:7) Nampirisika azy ireo i Paoly mba ‘tsy hitsahatra hivavaka’, ka hamboraka izay ao am-pony amin’i Jehovah. (1 Tesalonianina 5:17; 2 Tesalonianina 3:1; Filipianina 4:6, 7) Ilaina ny finoana mba hihainoan’Andriamanitra ny vavaka.—Hebreo 11:6.

Ahoana no hahasambatra ny fianakaviana? Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy, hanaja fatratra ny vadiny ny vehivavy, ary hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy satria mampifaly an’Andriamanitra izany. Mila mitari-dalana ny zanany amim-pitiavana ny ray aman-dreny, ary mitaiza azy mifanaraka amin’ny toro lalan’i Jehovah.—Efesianina 5:22–6:4; Kolosianina 3:18-21.

Map of locations where Paul wrote letters

Tsipiriany momba ny fikasan’i Jehovah. Natao hiaro sy hitari-dalana ny Israelita, mandra-pahatongan’i Kristy, ny didy maro ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. (Galatianina 3:24) Tsy takina amin’ny Kristianina anefa ny fitandremana an’io Lalàna io. Nanazava ny dikan’ny Lalàna i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo, anisan’ny fivavahana jiosy taloha. Nasehony koa fa tanteraka amin’ny alalan’i Kristy ny fikasan’Andriamanitra. Nilaza koa izy fa mifanitsy amin’ny zava-mitranga atỳ aoriana ny lafiny sasany amin’ny Lalàna. Mifanitsy amin’ny sorona nataon’i Jesosy, ohatra, ny sorona biby. Io soron’i Jesosy io no ahazoana ny tena famelan-keloka. (Hebreo 10:1-4) Tamin’ny alalan’izy io koa no nanafoanan’Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna, izay tsy nilaina intsony.—Kolosianina 2:13-17; Hebreo 8:13.

An early Christian congregation listens as one of Paul’s letters is being read

Fomba andaminana fiangonana. Lehilahy tsara fitondran-tena sy mahafeno an’ireo fepetra ara-baiboly no tendrena hanao ireo andraikitra eo anivon’ny fiangonana. (1 Timoty 3:1-10, 12, 13; Titosy 1:5-9) Tokony hiara-hivory tsy tapaka ny mpanompon’i Jehovah mba hifampahery. (Hebreo 10:24, 25) Tokony hahazoana fampaherezana sy hianaran-javatra ny fivoriana.—1 Korintianina 14:26, 31.

Tany Roma indray i Paoly tatỳ aoriana, saingy tao am-ponja niandry didim-pitsarana. Tamin’izay izy no nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty, ary olona be herim-po vitsivitsy monja no sahy nitsidika azy. Fantatr’i Paoly fa efa hovonoina ho faty izy, ka hoy izy: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.” (2 Timoty 4:7) Toa tsy ela taorian’izay i Paoly no maty maritiora. Mitari-dalana ny tena mpanompon’Andriamanitra hatramin’izao anefa ny taratasy nosoratany.

​—Avy ao amin’ny Romanina; 1 Korintianina; 2 Korintianina; Galatianina; Efesianina; Filipianina; Kolosianina; 1 Tesalonianina; 2 Tesalonianina; 1 Timoty; 2 Timoty; Titosy; Filemona; Hebreo.

  • Inona no torohevitra nomen’i Paoly momba ny fitondran-tena?

  • Ahoana nanazavan’i Paoly fa tanteraka tamin’ny alalan’i Kristy ny fikasan’Andriamanitra?

  • Inona no torohevitra nomen’i Paoly momba ny fandaminana fiangonana?

IZA ILAY TARANAKA NAMPANANTENAINA?

Nilaza izao teny an’ohatra izao tamin’ilay menarana tao Edena Andriamanitra: “Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.” (Genesisy 3:15) Ny Devoly io “menarana tany am-boalohany” io. (Apokalypsy 12:9) Antokon’olona iray kosa ilay taranaky ny vehivavy, ary i Jesosy no lehibe indrindra. Nampahafantarina tsikelikely tao amin’ny Baiboly izany.

Nilaza i Jehovah, 2 000 taona teo ho eo taorian’ny nanotan’i Adama sy Eva, fa ho avy amin’ny taranak’i Abrahama ilay Taranaka. (Genesisy 22:17, 18) Nilaza ny apostoly Paoly, taonjato maro taorian’izay, fa anisan’ilay Taranaka i Kristy, dia i Jesosy. (Galatianina 3:16) Toy ny hoe ‘naratra ny voditongony’, araka ny voalazan’ny Genesisy 3:15, tamin’izy maty. Natsangan’Andriamanitra anefa izy, ary lasa “fanahy.”—1 Petera 3:18.

Nilaza koa Andriamanitra fa 144 000 ireo olon-kafa anisan’ilay Taranaka. (Galatianina 3:29; Apokalypsy 14:1) Atsangana ho fanahy izy ireo rehefa maty, ary ho mpiara-mandova amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra.—Romanina 8:16, 17.

Mpanjaka mahery any an-danitra i Jesosy izao, ary tsy ho ela dia handringana an’i Satana sy hanafoana ny taranany, izany hoe ny olona ratsy fanahy sy ny demonia. (Jaona 8:44; Efesianina 6:12) Hiaina ao anatin’ny fandriampahalemana sy ho faly ny olona mankatò rehetra, rehefa hanjaka eto an-tany i Jesosy. Hanorotoro ny ‘lohan’ilay’ menarana izy amin’ny farany, izany hoe handringana azy tanteraka.—Hebreo 2:14.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara