FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bm fizarana 26
  • Ho Lasa Paradisa Indray ny Tany!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Lasa Paradisa Indray ny Tany!
  • Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Miresaka Momba ny Hoavinao ny Bokin’ny Apokalypsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
bm fizarana 26
Jesus sits on his throne in the Kingdom

FIZARANA 26

Ho Lasa Paradisa Indray ny Tany!

Hanamasina ny anarany sy hanamarina ny zony hitondra ary hanafoana ny faharatsiana rehetra i Jehovah, amin’ny alalan’ilay Fanjakana tarihin’i Kristy

TENA mahabe fanantenana ny bokin’ny Apokalypsy. Nosoratan’ny apostoly Jaona io boky farany ao amin’ny Baiboly io, ary mirakitra fahitana maro. Tanteraka amin’ny fomba feno ny fikasan’i Jehovah, rehefa tanteraka ireny fahitana ireny.

Midera sy manitsy fiangonana maromaro i Jesosy, ao amin’ny fahitana voalohany. Ny faharoa kosa mampiseho ny seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra sy ireo zavaboary ara-panahy midera Azy.

Tanteraka tsikelikely ny fikasan’Andriamanitra, ka omena horonam-boky misy tombo-kase fito ny Zanak’ondry na i Jesosy Kristy. Rehefa vahana ny tombo-kase efatra voalohany, dia misy mpitaingin-tsoavaly efatra miseho. I Jesosy no voalohany. Mitaingina soavaly fotsy izy ary manao satroboninahitry ny Mpanjaka. Misy soavaly telo samy hafa loko avy eo, izay mifanitsy amin’ny ady sy mosary ary areti-mandringana mitranga mandritra ny andro faran’ity tontolo ity. Rehefa vahana ny tombo-kase fahafito, dia misy fitsofana trompetra fito izay midika fanambarana didim-pitsaran’Andriamanitra, ary loza fito izay mampiseho fa mampihatra ny fahatezerany izy.

Voaresaka koa ny fiforonan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay aseho toy ny zazalahy vao teraka. Misy ady mipoaka any, ka azera etỳ an-tany i Satana sy ny anjeliny, ary misy feo mafy miteny hoe: “Loza ho an’ny tany.” Tezitra mafy i Satana noho izany, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.—Apokalypsy 12:12.

Hitan’i Jaona indray ny Zanak’ondry na i Jesosy any an-danitra, miaraka amin’ireo 144 000 nofidina avy amin’ny olombelona. “Hiara-manjaka” amin’i Jesosy izy ireo. Asehon’ny Apokalypsy àry fa 144 000 ireo olon-kafa anisan’ilay Taranaka, ankoatra an’i Jesosy.—Apokalypsy 14:1; 20:6.

Hangonina ho amin’ny Hara-magedona, izany hoe ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra”, ireo mpitondra eto an-tany. Hiady amin’ilay mitaingina soavaly fotsy izy ireo, dia i Jesosy izay mitarika ny tafiky ny lanitra. Ho ringana daholo ireo mpitondra ireo, ary hofatorana i Satana. Hanjaka amin’ny tany mandritra ny “arivo taona” i Jesosy sy ireo 144 000, ary horinganina i Satana avy eo.—Apokalypsy 16:14; 20:4.

Hanao ahoana ny fiainana mandritra an’io arivo taona io? Hoy i Jaona: “[Hofafan’i Jehovah] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4) Ho lasa paradisa indray ny tany amin’izay!

Ho vitan’ny Fanjakan’ny Mesia koa ny hanamasina ny anaran’i Jehovah sy hanamarina tanteraka ny zony hitondra!

​—Avy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy.

  • Inona no asehon’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra?

  • Inona avy no mitranga rehefa tanteraka tsikelikely ny fikasan’Andriamanitra?

  • Inona ny Hara-magedona, ary ahoana no hiafaran’izy io?

“BABYLONA LEHIBE”

Hita ao amin’ny Apokalypsy fa antsoina hoe “Babylona Lehibe” ny fitambaran’ny fivavahan-diso rehetra, izany hoe ireo fivavahana tsy manompo an’ilay tena Andriamanitra. Antsoina hoe “mpivaro-tena lehibe” koa izy io, satria mijangajanga izany hoe mitsabaka amin’ny raharahan’ireo fitondrana ara-politika. Hanafika sy handringana an’io mpivaro-tena io ireo fitondrana ireo, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah.—Apokalypsy 17:1-5, 16, 17.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara