Taona Manan-tantara
“Tany am-piandohana...”
4026 T.K. Noforonina i Adama
3096 T.K. Maty i Adama
2370 T.K. Tonga ny Safodrano
2018 T.K. Teraka i Abrahama
1943 T.K. Fifanekena tamin’i Abrahama
1750 T.K. Namidy ho andevo i Josefa
talohan’ny 1613 T.K. Fitsapana an’i Joba
1513 T.K. Niala tany Ejipta ny Israely
1473 T.K. Niditra an’i Kanana ny Israely
1467 T.K. Azo ny ankamaroan’ireo tany tao Kanana
1117 T.K. Nohosorana ho mpanjaka i Saoly
1070 T.K. Fampanantenana fa ho mpanjaka i Davida
1037 T.K. Lasa mpanjaka i Solomona
1027 T.K. Vita ny tempolin’i Jerosalema
1020 T.K. tany ho any Vita ny Tononkiran’i Solomona
997 T.K. Nizara roa ny fanjakan’ny Israely
717 T.K. tany ho any Vita ny bokin’ny Ohabolana
607 T.K. Rava i Jerosalema; lasa babo tany Babylona ny Jiosy
539 T.K. Nandresy an’i Babylona i Kyrosy
537 T.K. Niverina tany Jerosalema ny Jiosy babo
455 T.K. Naorina indray ny mandan’i Jerosalema; nanomboka ireo 69 “herinandro”
Taorian’ny 443 T.K. Vita ny bokin’i Malakia
2 T.K. tany ho any Teraka i Jesosy
29 A.K. Natao batisa i Jesosy ary nanomboka nitory ny Fanjakan’Andriamanitra
31 A.K. Nifidy apostoly 12 i Jesosy; nanao Toriteny teo An-tendrombohitra
32 A.K. Natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy
14 Nisana 33 A.K. Novonoina i Jesosy (Nisana: Tapatapaky ny Martsa ka hatramin’ny tapatapaky ny Aprily)
16 Nisana 33 A.K. Natsangana tamin’ny maty i Jesosy
6 Sivana 33 A.K. Pentekosta; nilatsaka ny fanahy masina (Sivana: Tapatapaky ny Mey ka hatramin’ny tapatapaky ny Jona)
36 A.K. Lasa Kristianina i Kornelio
47-48 A.K. tany ho any Dia misionera voalohany nataon’i Paoly
49-52 A.K. tany ho any Dia misionera faharoa nataon’i Paoly
52-56 A.K. tany ho any Dia misionera fahatelo nataon’i Paoly
60-61 A.K. tany ho any Nanoratra taratasy i Paoly tamin’izy nigadra tany Roma
talohan’ny 62 A.K. Nanoratra ny taratasiny i Jakoba rahalahin’i Jesosy
66 A.K. Nikomy tamin’ny Romanina ny Jiosy
70 A.K. Noravan’ny Romanina i Jerosalema sy ny tempoliny
96 A.K. tany ho any Nanoratra ny Apokalypsy i Jaona
100 A.K. tany ho any Maty i Jaona, apostoly velona farany