FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb 74
  • Lasa Mesia i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lasa Mesia i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nampiomana i Jaona hoe ho Avy i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb 74
After Jesus is baptized by John, God’s spirit comes down on him like a dove

LESONA 74

Lasa Mesia i Jesosy

Efa nitory i Jaona hoe: ‘Hisy olona lehibe noho izaho ho avy.’ Rehefa 30 taona teo ho eo i Jesosy, dia niala tany Galilia izy ary nankany amin’ny Reniranon’i Jordana. Tany mantsy i Jaona no nanao batisa olona. Nasain’i Jesosy hanao batisa azy koa i Jaona. Hoy anefa izy: ‘An an an! Ianao aza no tokony hanao batisa an’ahy.’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ataovy moa fa izany no tian’i Jehovah e!’ Nidina tao amin’ny Reniranon’i Jordana àry ry zareo, ka nalentik’i Jaona tao anaty rano i Jesosy.

Nivoaka avy tao anaty rano i Jesosy avy eo ary nivavaka. Nisokatra ny lanitra tamin’izay ka nidina teo aminy ny fanahin’Andriamanitra. Hoatran’ny voromailala ilay izy. Dia niteny avy tany an-danitra i Jehovah hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”

Lasa Kristy, na Mesia, i Jesosy rehefa nahazo ny fanahin’i Jehovah. Hanao ny asa nanirahan’i Jehovah azy tetỳ an-tany amin’izay izy izao.

Vao vita batisa i Jesosy, dia nankany amin’ny tany karakaina ary nijanona tany 40 andro. Nankany amin’i Jaona izy rehefa niverina. Dia hoy i Jaona rehefa nanatona i Jesosy: ‘Iny ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy no hanala ny fahotan’izao tontolo izao.’ Niteny an’izany i Jaona satria tiany ho fantatry ny olona hoe i Jesosy no Mesia. Inona no nitranga tamin’i Jesosy tamin’izy tany amin’ny tany karakaina? Andao hojerentsika izany.

“Ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.’”—Marka 1:11

Fanontaniana: Nahoana i Jesosy no natao batisa? Nahoana i Jaona no niteny hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra i Jesosy?

Matio 3:13-17; Marka 1:9-11; Lioka 3:21-23; Jaona 1:29-34; Isaia 42:1; Hebreo 10:7-9

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara