Fampidirana ny Fizarana 9
Ahitana ny tantaran’ny ankizy sy mpaminany ary mpanjaka tena natoky an’i Jehovah ity fizarana ity. Natoky, ohatra, ny ankizivavy israelita anankiray tany Syria, fa hositranin’ny mpaminanin’i Jehovah i Namàna. Natoky koa i Elisa mpaminany fa hiaro azy amin’ny fahavalo i Jehovah. I Joiada Mpisoronabe kosa sahy niaro an’i Joasy kely mba tsy hovonoin’i Atalia bebeny ratsy fanahy. I Hezekia Mpanjaka indray natoky hoe hamonjy an’i Jerosalema i Jehovah, ka tsy nanaiky hampitahorin’ny Asyrianina izy. Nesorin’i Josia Mpanjaka tany Joda ny sampy rehetra, dia namboariny indray ny tempoly, ary notarihiny hivavaka amin’i Jehovah indray ny vahoaka.