HIRA 42
Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra
Endrika Sary
1. Jehovah ô, Ray any ambony any,
Ny anaranao ho masina eran-tany.
Mahatonga ianao, tsy toha, mahagaga,
’Zay kasainao dia tsy maintsy hitranga.
Ary ilay Fanjakanao,
Enga anie ho tonga izao!
2. Misaotra anao satria mbola miaina,
Ary isan’andro omenao ’zay ilaina.
Avy aminao koa ny fahendrena,
Ny fahalalanao no tena harena.
Koa misaotra anao satria
Ianao, Ray ô, tena tia.
3. Ny fahoriana toa mahery fiavy;
Mba mila anao, marefo ka miangavy.
Ampaherezo anie f’aza afoy,
Mba tsy ho kivy, fa mbola hanohy;
Ampio ’zahay hanohy ny ady,
Ary hanefa an’ilay voady.
(Jereo koa ny Sal. 36:9; 50:14; Jaona 16:33; Jak. 1:5.)