HIRA 64
Mahafaly ny Asa Fijinjana
Endrika Sary
	- 1. Izao no fotoam-pijinjana, - Fotoana tsy hiverina indroa! - Isika no asaina mijinja, - Nomena an’ilay tombontsoa. - Kristy no modely ho antsika; - Mitarika antsika izy mba - Hijinja ireo vokatra maro be, - ’Zay mbola tavela eny an-tsaha. 
- 2. Tiantsika i Jehovah sy ny hafa, - Ka ’ndao mba hitory avy hatrany. - Fa maika tokoa ’zao ’lay asa, - Antomotra ny fiafarany. - Tahin’i Jehovah anie ’sika - Raha tena manao fara hery, - Dia manohy mamita ny faritany - Satria ny fotoana efa kely. 
(Jereo koa ny Mat. 24:13; 1 Kor. 3:9; 2 Tim. 4:2.)