HIRA 96
Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra
1. ’Lay boky iray ’zay sarobidy indrindra
Dia mahasambatra sy mahasoa.
Ny torohevitra ao dia manan-kery,
Mamelombelona antsika tokoa.
Io boky miavaka io dia ny Baiboly,
’Zay boky avy amin’i Jehovah Ray;
Nampian’ny fanahy masina daholo
’Reo ’zay nanoratr’azy io fahizay.
2. Voasoratra ao ny asan’i Jehovah,
Nataony lavorary avokoa.
Fa very anef’izao ’lay Paradisa,
Satria ny olona tsy nankatò.
Voalaza fa ny anjely iray nikomy
No fototry ny ratsy eran-tany,
Ka nahatonga fijaliana maro,
Nefa Jehovah dia hanova izany.
3. Fotoana mahafaly ny androntsika:
Kristy efa nandray ny Fanjakany.
Tsy ho ela dia hovonjen’i Jehovah
Ireo miandany amin’ny fitondrany.
Izay no vaovao tsaran’ny Baiboly,
Tena sakafo ara-panahy tokoa.
Vakio àry ilay Boky Sarobidy!
Vakio fa manome fiadanam-po.
(Jereo koa ny 2 Tim. 3:16; 2 Pet. 1:21.)